Nisokatra omaly 28 septambra ny fandraisana ny antontan-taratasy ahafahana mirotsaka hofidiana ho loholona hatao amin’ny 11 desambra ho avy izao.
Hifarana amin’ny 12 oktobra amin’ny 5ora hariva kosa io, ka any amin’ny OVEC no mandray izany. 18 ireo loholona, ka 12 izay roa isaky ny faritany no hofidian’ireo mpifidy vaventy, ary 6 kosa hotendren’ny Filoham-pirenena. Tsy maintsy manana “mandataire” na solontena miantsoroka ny firotsahan-kofidiany ny kandida, izay 5 no ao anaty lisitra ka 2 tompon-toerana, ary 3 mpisolo toerana. Ho an’ny teto Antananarivo, tsy mbola nisy ny mpilatsaka hofidiana na solontena nanatitra ny antontan-taratasiny. Casier juduciaire miisa 4, rosia nandoavana ny antoka ara-bola miisa 4, taratasy fanamarinana fandoavan-ketra miisa 4,… no dosie ilaina amin’izany. Tsy maintsy olona mizaka ny zom-pirenena no afa-mirotsaka, feno 40 taona miakatra, mizaka ny zo isam-batan’olona sy ara-politika, misoratra anaty lisi-pifidianana, tsy mbola voaheloka ara-pitsarana, nahaloa hetra ara-dalàna tao anatin’ny 3 taona. 15 tapitrisa ny antoka, ka miverina raha mahazo 10% ny kandida. Afaka mitory eny amin’ny CENI ireo mety ho voailika, ary miakatra eny amin’ny HCC raha tsy afa-po.
MIAVAKA…
Mampiavaka ity fifidianana ity ny fifanoheran-kevitra goavana ara-politika, ka milaza tsy handray anjara ny mpanohitra noho ny fahitan’izy ireo fandikan-dalàna mihoampampana. Ao anatin’ireo sy mitarika izany ny TIM sy ny HVM. Azo ambara ho tsy dia mpiseho ny fandavana tahaka izao, izay misy lanjany goavana ara-politika sy mety ho loharanon’ny fisavoritahana, saingy tsy te hahalala ny mpitondra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.