Mipetraka amin’ny maha raiamandreny ny CFM, hoy ny filohany Maka Alphonse, raha nanontaniana mikasika ny fanantenana ny amin’ny ahatongavan’ny fampihavanana tena izy manoloana ny raharaham-pirenena ankehitriny.
Tanjona ny tsy hiverenan’ny krizy. Tsy vahaolana ny fidinana an-dalambe. Manao antso avo ny kandida depiote aho, hoy izy. Vorio ny porofo dia ento amin’ireo ambaratongam-pitsarana sahaza azy. Miantso ny mpitsara ihany koa mba hitsara araka ny tokony ho izy ireo fitarainana tena izy. Nanomboka ny 3 jona teo ary hifarana ny 3 jolay ny fivoriambenay (A.G) nandinihana zavatra maro satria nandritry ny 2 volana ny mpikambana no nitety ny faritra niaviany avy. Eo ny tatitra mikasika ny fifidianana fa eo koa ny asan’ny CFM andavanandro. Hodinihana koa raha tonga ireo taratasy fangatahana famotsoran-keloka. Ny resaka fanorenana (indemnisation et réparation) ho an’ireo sivily sy miaramila niharan’ny antsojay politika ny taona 2002 sy 2009. Anisan’ny anapahana hevitra daholo izany rehefa voadinik’ireo vaomiera tandrify azy avy, hoy hatrany ny tenany. Tsy mbola voavalin’ity komitin’ny fampihavanana ity, araka izany, hatreto izay fanontaniana izay.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.