Tamin’ny alalan’ny taratasy nalefan’ny Filoha Frantsay Emmanuel Macron tamin’ny Filoha Malagasy Andry Rajoelina noho ny tsingerin-taona faha-60 nahazoantsika ny fahaleovantena no nilazan’i Emmanuel Macron,
fa hanome famatsiam-bola 15 tapitrisa euros ho an’i Madagasikara i Lafrantsa. Amin’ny alalan’ny AFD (Agence Française de Développement) no hanaovana an’io, ka hifantoka amin’ny fiatrehana ny voka-dratsin’ny krizy ara-pahasalamana sy ara-toekarena nateraky ny coronavirus no ampiasana an’io. Ny AFD mazava ho azy no heverina fa hitantana sy handrindra ny fampiasana ny vola. Toa efa manomboka miverina amin’ny laoniny ny fifandraisana ara-diplomatika eo amin’i Andry Rajoelina sy ny Frantsay, raha toa ka tsy sarimihetsika sy fanaovana vazaha mody miady ny niseho teo aloha, toy ny raharaha Îles Eparses toa adino, ny tohin’ny fifanolanan’ny fanjakana tamin’ny Laboratoara IPM izay nilazan’ny mpitondra fa tsy hanaiky mora foana izy ireo,…
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.