Politique

Firafitry ny governemanta Tsy resy lahatra ireo depiote


  • Alakamisy 27 Aogositra 2020

Nihena ny isan’ny solombavambahoaka, raha oharina amin’ny teo aloha, kanefa ny nantenaina dia mba hitombo hihoatra ny roa aza, hoy ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena Christine Razanamahasoa.

 

 

 

 

Solombavambahoaka am-perinasa iray ihany sisa no ao anatin’ny governemanta, dia ny Minisitry ny Mponina Rtoa Bavy Angelica Michelle. Ny fisian’ny solombavambahoaka ao dia taratry ny vondroina maro an’isa ao amin’ny Antenimieram-pirenena, manamafy ny maha ara-drariny sy ny fankatoavana avy amin’ny vahoaka. Mitarika fahamarinan-toerana hahafahana mifantoka bebe kokoa amin’ny fampandrosoana. Mahatoky izahay fa amin’ny fanovana indray aorian’ny tombana izay hisy amin’ny manaraka, dia ho hita taratra ny solombavambahoaka ao anatin’ny fanovana ny governemanta”, hoy ity Filohana andrim-panjakana ity. Saika teknisianina avy any ivelany, tsy hita taratra teo amin’ny tontolo politika moa ny ankamaroan’ny mpikamban’ny governemanta amin’izao fotoana izao. Efa hatry ny ela no nisiana karazana lonilony na tsy miseho mivantana aza eo amin’ireo politisianina, olom-boafidy efa nisedra fifidianana, niady mafy tamin’ny fametrahana sy fanohanana ny Filoha,… izay toa misy ny te haneho fa izy ireo no namono ny voay, saingy ny hafa no miravaka ny vanginy. Mety hiteraka fifandirana eo amin’ny samy mpanohana mpitondra, na koa ny fahefana mpanatanteraka sy mpanao lalàna io. Azo adika ho tsy fahamatorana politika sy mety ho famadihana ny vahoaka nifidy ihany koa anefa ny fidirana ho mpikamban’ny governemanta, kanefa depiote no nametrahan’ny olom-pirenena ny olom-boafidy iray.

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT