Politique

Firafitry ny Antenimieram-pirenena Ireo endrika 4 mety hitranga


  • Talata 21 Mey 2019

Mbola baraingo ny mety ho endriky ny Antenimieram-pirenena aorian`ny fifidianana.

 

 

Mandeha hatrany ny kajikajy. Ny azo ambara aloha dia miisa efatra ny ho firafitry ny antenimieram-pirenena. Voalohany, mety hanana ny maro an`isa ny filoham-pirenena satria mbola mafy ny fironana taorian`ny fifidianana filoham-pirenena. Ny olona, indrindra ny vahoaka hifidy, dia tsy maintsy handinika izay olona afaka hanatanteraka ireny programam-pampandrosoana rehetra ireny. Mazava ho azy, mila olona manana fanohanana akaikin`ny fitondrana. Faharoa, tsy maintsy hirafitra maromaro ao koa ireo solombavambahoaka tsy miankina. Betsaka izy ireo no tsy tafiditra ao anatin`ny vondrona politika na antoko politika nefa manana ny maha izy azy toy ny solombavambahoaka teo aloha na olona akaikin`ny vahoaka. Fahatelo, ny solombavambahoaka avy amin`ny antoko politika matanjaka izay hita amin`ny firafitry ny politika eto Madagasikara. Tsy mbola mazava tsara ny zavatra hataony satria arakaraky ny fidirana vondrona ao amin`ny antenimieram-pirenena no mety ho fanarahany ny fironana na tsia. Farany, ny antoko tena nifandona hatramin`izay amin`ny fitondram-panjakana na tamin`ny fifidianana filoham-pirenena ary tsy maintsy hiditra amin`ny fanoherana.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT