Politique

Fipoahan'ny hatezeram-bahoaka Atahorana mafy i Antananarivo


  • Talata 19 Jolay 2022

Marina fa Antananarivo no ivon’ny fitantanana ny firenena, saingy eto ihany koa no atahorana mafy amin’ny hisian’ny fipoahana ara-tsosialy hiitatra any amin’ny politika satria mifameno hatrany rahateo moa ireo.

Eto no toa hanaovana fanandramana na atao « cobaye » amin’ny fanapahan-kevitra raisin’ny Fanjakana, raha tsy hilaza afatsy io resaka saran-dàlana io. Nahoana no nandrasana nisy nanao 800Ar sy misavorovoro ny saim-bahoaka vao manenjana fa tsy tonga dia navoaka ny didim-pitondrana mametra ny saran-dàlana tsy eto Antananarivo ihany fa manerana ny Nosy Anaovana andrakandram-pitantanana ny Renivohitra, tsapaina hoe hatraiza ny fara-fahazakana sy faharetan'ny olona. Antananarivo irery angaha i Madagasikara ka eto no handrefesana hoe hatraiza ny fahazakan'ny olona ka hikoropahana rehefa mamay ny toe-draharaha Rehefa zakan’Antananarivo dia tokony ho zakan’ny vahoaka Malagasy manontolo Eto no iandohan’ny fipoahana ara-tsosialy sy ara-politika hatramin’izay, hany ka ezahin’ny Fanjakana foibe halamina sy tambazana hatrany. Tena fandaminana maharitra sy mahasoa ny besinimaro ve anefa sa pimaso politika hoenti-maneho mitsinjo ny besinimaro Raha ny fiantraikan'ny fiakaran'ny vidin-tsolika, tsy ny taksibe ihany no ahitana izany fa ny fitaterana amin'ny endriny rehetra. Midangana ny vidin'entana satria lafo ny saran-dàlana, miakatra ny vidim-piainana, ny saram-pianarana,... Azo lazaina ho manan-tsafidy amin'ny tolotra samihafa i Antananarivo fa mba manao ahoana ny any amin'ny tany lavitra andriana Inona ny fepetra raisin'ny Fanjakana ara-toekarena sy sosialy

Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT