Politique

Fiomanana amin’ny fifidianana Betsaka ireo fokontany tsy vonona intsony, hoy ny RPSD


  • Zoma 10 Jona 2022

Tanjon’ny CENI moa izany nikarakara izao atrikasa fikaonan-doha izao dia ny mba hisian’ny fifidianana madio mangarahara eken’ny rehetra, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko politika RPSD,

Urbain Andriatsizehena, nandritry ny atrikasa fikaonan-doha nokarakarain’ny CENI tetsy amin’ny Novotel Ivandry omaly. Ny fanarenana tanteraka ny lisipifidianana moa no tena fototr’ity fifampidinihana ity, hoy izy. Ny fahitan’ny RPSD azy dia tokony heverina koa ny hoe ahoana ny hampadio mangarahara ny fifidianana. Sosokevitray ny hoe tokony efa resahan’ny CENI sy ny minisiteran’ny atitany ny sefo fokontany. Tokony mahaleotana isam-pokontany io rantsan’ny CENI any ifotony io. Noho ny tsy fahampian’ny tetibola nefa dia miara-miasa amin’ny fokontany ireo. Betsaka amin’ny fokontany izao no efa tsy vonona intsony. Tadidio fa tambin-karama fa tsy karama izao no mba raisin’ny sefo fokontany. Mbola tsy azo ara-dalana koa io. Raha vao hanao fanisam-bahoaka isan-tokantrano izany ianao dia tsy maintsy misy fokontany mandeha tongotra lavitra be. Miampita tanimbary. Miampita renirano. Izay ilay tsy fahavononan’ny isam-pokontany. Mila jerena akaiky io fampirisihana ny mpitantana fokontany io. Hanolotra sosokevitra aorian’ny fikaonan-doha ataonay koa izahay ao amin’ny RPSD aorian’izao ho an’ny CENI. Tokony ahitana taratra fiovana vokatr’izany io fifidianana hanomboka amin’ny 2023 io, hoy hatrany ny tenany. Hitanay tamin’ireo fifidianana rehetra efa natrehanay ny lesoka rehetra tamin’ny fifidianana nisy teto ka izay no hitondranay vahaolana ho fanatsarana, hoy hatrany ny RPSD.
J. Mirija
Legende: Ny filoha nasionalin’ny RPSD
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT