Politique

Fiomanana amin’ny fifidianana 2023 Tambatambazana indray ireo ben’ny tanàna


  • Talata 09 Novambra 2021

Raikitra ny famoriana ireo ben'ny tanàna manerana ny Nosy miaraka amin’ny Governora, tanterahina any Antsirabe nanomboka omaly 08 novambra.

 Fotoana ambara fa natokana hifanakalozana sy hampitoviana ny fomba fijery amin’ny fitantanana ny raharaham-panjakana, hanamafisana ny fanatanterahana ny vinan'ny Filohan'ny Repoblika sy ny Politika Ankapoben'ny Fanjakana ho an'ny tombotsoa iombonana sy ho fanarenana ny fahatarana eo amin'ny fampandrosoana ny firenena, ity atrikasa ity. Tonga tany an-toerana nanokatra izany ny Praiminisitra Lehiben’ny governemanta Atoa Ntsay Christian ka naneho, fa ny fanomezan-danja ny fampandrosoana ka hahatongavana amin'izay, dia mila rindran-damina mazava, firaisan-tsaina ary fampivondronana ny hery amin'ny fanatanterahana ny andraikitra apetraka amin'ny tsirairay na olom-boatendry izany na olom-boafidy. Ny governora, ny ben'ny tanàna ary ireo ao amin'ny lafin-tany dia mpisehatra goavana amin'izany asa fampandrosoana izany ka fotoana izao handaminana ny fomba fiasa hanafainganana bebe kokoa ny fampandrosoana an'i Madagasikara; ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana ho fanatrarana ny tanjona napetraky ny Filoham-pirenena, izay miankina amin'ny " fandrindràna ny fampitoviana lenta ny asam-pampandrosoana ny Faritra rehetra". Nambara fa misy ihany koa ny fifamenoana andraikitra eo amin'ny governora sy ny ben'ny tanàna izay mahalala ny filàna sy ny laharampahamehana eny ifotony, indrindra amin'ny resaka fotodrafitrasa. Antony hanatsaràna hatrany ny tetibola sy ny fampitaovana ny eny anivon'ny Faritra,... Raha resaka ambony latabatra aloha, dia mirefodrefotra, fa raha tena mihaino sy manome vahana ny eny ifotony tsy handeha hitrosa 130 miliara dolara hanaovana teleferika, tsy hirehareha amin’ny fanafarana entana ka hanadino ny tantsaha, mety mbola hisy zavatra laharam-pahamehana noho ny kianja,… Maro ihany koa ny manasokajy ity fihetsiky ny fitondrana ity ho efa manambitamby ireo ben’ny tanàna satria ho mafy ny ady amin’ny 2023. Mandeha ny resaka fa hisy ny fanambazana zavatra toy ny “motos” saingy ny ho avy no hamaritra azy. Misy ny mametra-panontaniana izay sangisangy zary tenany hoe: fa mbola tsy ampy ihany ve ny CENI sy ny HCC ary ny Minisiteran’ny Atitany no mbola miezaka manambitamby ireo ben’ny tanàna?
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT