Tsy mahagaga raha nalaina nifidy ny olona, hoy ny filohan’ny Manangana Madagasikara vaovao, Arlette Ramaroson. Ny fanadihadiana mikasika ny depiote malety aza tsy vita hatramin’izao.
Ahoana no hieritreretana fa i Madagasikara no anisan’ny firenena mahantra indrindra eto ambonin’ny tany kanefa ny vola raisin’ny depiote eto mbola ambony noho ny an’ny frantsay ? Raha tena tia tanindrazana ny filoham-pirenena dia mila ahena aloha ny tombontsoa omena ny depiote. Misy depiote matory fotsiny ao anaty fivoriana. Ny sasany tsy tonga. Maninona raha atao tambin-karama fotsiny toy ny tamin’ny taona 90, hoy hatrany izy. Any Hollande izao, any La Haie, mandeha bisikileta hatramin’ny praiminisitra. Ny minisitra Rwandey koa alaina amin’ny fiara iombonana (bus) daholo rehefa hiasa. Mandroso ry zareo fa tsy toy ny eto. Ny ahiana, raha mbola mitohy izao fomba fitantanana izao kanefa tsy hitondra mangirana ho an’ny malagasy mihitsy dia hiafara amin’ny fifamonoana faobe na “Genocide” eto, hoy hatrany ity mpitsara iraisam-pirenena ity.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.