Politique

Filohan’ny HCC Iza no handimby an’i Jean Eric Rakotoarisoa ? Filohan’ny HCC Iza no handimby an’i Jean Eric Rakotoarisoa ?


  • Zoma 05 Martsa 2021

Ho tapitra ny 14 martsa ho avy izao ny fe-potoana 7 taona tsy azo havaozina maha Filohan’ny

 

 

 

 Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenena na ny HCC an’Atoa Jean Eric Rakotoarisoa sy ireo mpitsara roa hafa, izay notendrena ny taona 2014. Miomana ny handao ny toerany ity Filohana andrim-panjakana ity, izay miandry izay handimby azy hitondra ny familiana etsy Ambohidahy. Stratejika be io toerana io, ka dia andrasana izay olona hapetraka eo amin’izany toerana izany. Anarana telo no misy mivoy fa mety hotendrena amin’izany toerana izany ny iray amin’izy ireo, araka ny voalaza tamina fahitalavitra tsy miankina iray omaly. Florent Rakotoarisoa Minisitry ny atitany tamin’ny tetezamita, Christine Razanamahasoa Filohan’ny Antenimieram-pirenena ankehitriny, Arnaud Auguste Filohan’ny Sendikan’ny Mpitsara (SMM) teo aloha no volaza fa mety hotendrena eo amin’izany toerana izany. Tsara ny mampahatsiahy fa samy manana ny fotoana nahatongavany teo amin’ny toerana ireo mpikambana 9 fa tsy nitovy. Ny telo nanao fihanianana ny martsa 2014, ka isan’izany ireo mpanolontsaina ambony roa notendren’ny filoham-pirenena. Nanao fihanianana ny oktobra 2014 ireo avy amin’ny Antenimieram-pirenena. Nandray ny asany ny jona 2016 kosa ireo notendren’ny Antenimierandoholona, ary ny febroary 2018 ny iray farany notendren’ny Filoha, izay nisolo ny iray izay nodimandry.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT