Politique

Filohan’ny HCC “Aza rebirebena i Madagasikara”


  • Zoma 04 Martsa 2022

Naneho ny heviny momba ny toeran’i Madagasikara eo anatrehan’ny adihevitra iraisam-pirenena mikasika ny adin’i Russie sy Ukraine ny Filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) Atoa Florent Rakotoarisoa omaly.

 Nambaran’ity mpitsara ambony ity, fa na dia eo aza ny fangatahan’ny andaniny sy ny ankilany hanameloka ny atsy sy ny aroa, dia mazava ny tenin’ny Praiminisitra sy ny fampitam-baovaon’ny Fanjakana, naneho fa tsy fotoanan’izany izao ilazana hoe manameloka ny atsy na ny aroa. Mbola miatrika fahasahiranana noho ny safo-drano sy ny rivodoza ny firenena. Inona i Madagasikara kely ity no hitakiana an’izany? hoy io Filohana andrim-panjakana io. Nahitsy ary tsy nitsitsy fitenenana kosa anefa ny Filohan’ny HCC nampahatsiahy ny endrika tsy firaharahiana an’i Madagasikara teo anatrehan’ny tsindry nataon’ny firenena Frantsay na tsy notononony mivantana aza. Ny volana jona 2021 no nilazan’i Emmanuel Macron an’io izay tonga tatsy amin’ny nosy Glorieuses namoahany ilay teny hoe: “ici c’est la France”. “Raha nitsangana ny filohan’ny firenen-dehibe iray, nitsangana hoe: “ity tany ity dia anay”, misy miaramilany any, moa mba nisy nisy firenen-dehibe nanameloka izany? hoy Atoa Florent Rakotoarisoa. Niady ny hahazoana izany ny filoham-pirenena tany amin’ny Fivoriamben’ny Firenena Mikambana tany New York, fa tsy nisy firenen-dehibe nanohana izany, hoy hatrany izy nampahatsiahy. Nahitsy noho izany io Filohana andrim-panjakana io nilaza fa aleo I Madagasikara kely ity hiatrika ny fampandrosoana fa tsy rebirebena amin’ny hoe: hanameloka ny atsy na ny aroa.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politika sy jeopolitika
  • Alarobia 13 Mey 2026

Mifaninana mafy eto i Lafrantsa sy Rosia

  • Delegasiona avy amin'ny SADC
  • Alarobia 13 Mey 2026

Nitsidika an'i Rinah sy Marie Michelle tany am-ponja

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

Hijery ny tohiny
FTT