Politique

Filohan’ny CENI sy izay nolaniany rehetra “Tokony hametra-pialana daholo”


  • Alakamisy 19 Martsa 2020

Miaina tanteraka ao anatin’ny repoblika baranahiny na “république bananière” amin’izao fotoana izao i Madagasikara, raha ny eo amin’ny lafiny politika no resahana, hoy ny avy eo anivon’ny antoko politika Teza.

 

 

Isan’izany, raha jerentsika ny ataon’ny filoham-pirenena amin’izay fomba nandaniana azy. Eo koa ny ao amin’ny antenimieran-doholona. Ny aty amin’ny HCC sy ireny fihoaram-pefy be dia be nataony tamin’ny fifidianana ireny. Ny CENI. Ny rafitra eto amin’ny firenena rehetra dia tsy mandeha araka ny tokony ho izy daholo. Ny tapatapaky ny janoary 2018, raha tadidintsika ny CENI no nilaza fa 4,5 tapitrisa fotsiny no isan’ireo mpifidy voasoratra anarana ka mila manao ezaka isika mba hanentanana ny olona. Tsy misy tapa-bolana akory taty amin’ny febroary dia efa hoe 9,5 tapitrisa ny olona tafiditra anaty lisitra. Kitoatoa izany, hoy ny filohan’ny Teza, Jean Louis Rakotoamboa. Ny minisitry ny atitany sady praiminisitra moa tamin’ireny nanao ny fanangonana ny lisitra tamin’ny alalan’ny fokontany. Ny CENI no tompon’andraikitra voalohany nanendry ny tany amin’ny fokontany hanao ny fanisana ny lisi-pifidianana. Taty aoriana dia namafisin’ny minisitry ny atitany tamin’ny andron’I Rajoelina izany. Ny tiako tenenina, hoy izy, dia raha misy ny tokony hametra-pialana voalohany dia ny filohan’ny vaomiera misahana ny fifidianana. Ny fokontany dia tsiahivina fa tafiditra ao anatin’ny atao hoe “collectivité déconcentrée” saingy ny ankamaroan’ireo kandida moa mbola tsy tonga saina angamba hoe ho atao haingon-tsehatra fotsiny dia ireny no vokany. Izay no ilazako hoe aminay Teza dia tokony hiala am-panajana miaraka amin’ny filohan’ny CENI koa ireo izay nolaniany rehetra, hoy hatrany ny filohan’ity antoko ity.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT