Mpanao politika ny tena, hoy ny filohan’ny antoko Natiora, Mihari-Ni-Rencho, izany hoe, mijery ny fiarahamonina.
Tontosa ny 26 jona saingy tsy te hiteny aho hoe fetim-pirenena na fahaleovantena satria tsy mahaleotena isika fa iny baolina nihaonan’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra tamin’ny Guinée tamin’ny CAN ny sabotsy teo iny kosa no namoha ny atao hoe « Nationalisme » tao anatin’ny malagasy. Nofohazin’ny Barea ny fitiavan-tanindrazana, hoy izy. Iza no nanampo fa hahatazona sahala amina ekipa efa nanao ampahefa-dalana tamin’ny tompondakan’i Afrika ny Malagasy ? Seho ivelany fotsiny, hoy hatrany izy, ny fanomezana fahaleovantena nataon’ny frantsay tamin’ny 14 oktobra 1958 sy 26 jona 1960 satria hatramin’izao dia ny Frantsay foana no nitondra teto. Io ilay antsoina hoe « Neo-colonialisme » fa ny zava-nitranga tany Ejipta ny sabotsy teo kosa dia mampisy fanantenana fa hiady ny fahaleovantena marina manomboka amin’ity taona ity ny Malagasy, hoy ny filohan’ny Natiora.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.