Mitodika eny amin`ny Antenimieram-pirenena amin`izay izao ny mason`ireo mpanara-baovao. Hivory voalohany ireo solombavambahoaka vao voafidy ny talata 16 jolay ho avy izao, indrindra eo amin`ny fananganana ny birao sy ny vaomiera.
Araka ny fantatra, andriambavilanitra roa no mety hiady ny sezan`ny ho filohan`ny Antenimieram-pirenena. Ny anaran-dRazanamahasoa Christine (Ambatofinandrahana) sy Naharimamy Irma (Toamasina I) izay samy depiote IRD no mahoraka. Ho an`i Christine Razanamahasoa, efa filohan’ity andrim-panjakana ity izy saingy voaongana tamin’ny 2014. Manana traikefa goavana mikasika ny sehatry ny lalàna izy satria mpitsara, kanefa mbola mizioga ilay maha olon’ny fanonganam-panjakana azy tamin’ny 2009. Raha ny amin’i Naharimamy Irma kosa, nisy gazety teto an-toerana nilaza tamin’ny martsa lasa teo fa tsy matotra ara-politika ity minisitra teo aloha ity. Nilatsaka ho depiote izy, roa volana monja taorian’ny nanendrena azy ho minisitry ny mponina. Ka raha tena te-ho depiote izy, inona no mbola nanekeny ny ho minisitra ? Manaraka izany, depiote voafidy tany Mahanoro izy teo aloha ka nahoana no tany Toamasina I no nilatsaka ? Ary zara raha nandresy an’i Roland Ratsiraka satria kely dia kely ny elanelam-bato teo amin’ny roa tonta. Tsara ho fantatra ihany koa fa tsy asa mora akory ny misahana ny fitantanana ny Antenimieram-pirenena. Mila fahamatorana politika sy fahaizana avo lenta. Ka na i Naharimamy na Razanamahasoa dia toa tsy mamaly ny fepetra ilaina ho filoha raha ny fahitan’ny mpamakafaka politika azy. Hanao andrankandrana indray ve ny fitondrana IEM sa hanolotra anarana hafa ho filohan’ny fahefana mpanao lalàna ?
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.