Politique

Filohan’ny FAT Hody tanam-polo …


  • Alakamisy 30 Desambra 2010

Anio antoandro, raha tsy misy ny fiovana, no fantatra fa hitodi-doha eto Madagasikara i Andry Rajoelina mianakavy rehefa avy nanao fizahantany sy nitondra ireo zanany niala voly nitety iny faritra Azia iny, nandritra ny andro vitsivitsy.

Araka ny tsiliantsofina dia nanararaotra ny diany tany izy, toy ny tany Dubai, nanambitamby mpandraharaha vahiny, Sinoa (?), mba hanamboatra ireo trano sy fotodrafitrasa nampanantenainy teto amin’ny firenena. Tsy izay ihany fa mbola nitady fanohanana, indrindra ara-bola, ihany koa hiatrehany ny fifidianana filoham-pirenena satria maniry ny hilatsaka izy amin’izany. Mikasika ny fahatongavany anio dia fantatra fa tsy hanao fanambarana izy. Tsy dia fanaony izany, fa ho an’ny mpanara-baovao dia mety hiverina tanam-polo izy. Ny nahagaga tamin’ny zava-nitranga tany ivelany nandritra ity dian’ny filohan’ny FAT ity dia tany izy vao nampahafantatra ireo mpandraharaha sinoa ny mikasika ireo fotodrafitrasa hatao eto Madagasikara.

Ny sasany tamin’ireo mpandraharaha sinoa ireo anefa efa teto an-toerana ary nanatri-maso ireny fihetsiketsehana na ny teny Mahamasina nilazana fa hanaovana “Tramway” eto an-drenivohitra sy ireo trano mora na ny tany amin’ny faritany sasany. Gaga ireo Sinoa ireo satria nihevitra izy ireo fa mba misy zavatra ataon’ny fanjakana fa tsy ho ry zareo iray manontolo no hanatanteraka ilay tetikasa rehetra. Na izany aza, nampanantena tamin’izy ireo ny filohan’ny FAT fa hanao zavatra hiaraka amin’izy ireo raha vantany vao lany filoham-pirenena (?), araka ny loharanom-baovao ihany. Ankoatra izay dia toa naniry mafy ny hihaona tamina tompon’andraikitra ambony sinoa i Andry Rajoelina tamin’ity diany ity saingy tsy tanteraka izany. 

Rakoto Maxime
 
Lasa fialan-tsasatra tanteraka ! Tsy azo afenina intsony fa izay no fandehan’ny fitsidihana ataon’ny filohan’ny FAT any Dubai amin’izao fotoana izao. Tamin’ny ora farany mantsy, raha araka ny vaovao azo, dia tsy raikitra indray ny fihaonany tamin’ny solontenam-panjakana tao an-toerana. Lasa Washington ny filoham-panjakana ary lasa nikorontana avokoa ny fihaonana tokony natao. Vokatr’izany dia tsy nisy zavatra tapaka hatreto. Andrasana moa izay hambarany amin’ny fahatongavany eto Madagasikara.
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Alain Mahavimbina
  • Alakamisy 01 Oktobra 2026

« Aza mifanilika, ilaina ny tanora,

  • TAHINA RAZAFINJOELINA
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

"Tsy sehoseho ivelany

  • Ben’ny tanĂ na
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

lanim-bahoaka any Betafo

  • Razafindrandriatsimaniry Marie
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Dieudonné Michel

  • Pr Jonah Ratsimbazafy
  • Alatsinainy 28 Septambra 2026

Ny Malagasy ihany no

  • Ben’ny tanĂ na Nosy Hell Ville
  • Alakamisy 24 Septambra 2026

« Betsaka ny zava-bitako,»

Hijery ny tohiny
FTT