Politique

Filohan` ny Antenimierandoholona « Tsy maintsy hitsitsy vola izahay”


  • Talata 26 Janoary 2021

“Nohamarinin` ny fiahiana ny fitsitsiana sy ny fitahirizana ny volam-bahoaka ny

 

 

 

 

fampihena ny isan` ny loholona” hoy ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) momba ny fitsipika anatin` ny Antenimierandoholona naroso hodinihana raha mifanaraka na tsia amin` ny lalàmpanorenana ny 21 janoary lasa teo. Raha tsiahivina dia nahena ho 18 ny isan` ny loholona saingy nitombo be ireo mpiara-miasa aminy araka ny voafaritra ao amin`ny and. faha -19: mpiara-miasa 10 ary mpanolontsaina teknika 03 avy isaky ny loholona. Araka ny voafaritra ao amin`ny and. faha-16 andl. faha- 3 ao amin` ny fitsipika anatiny vaovao « Ny filoha dia manana kabinetra ahitana: talen` ny kabinetra 01, Attachés de cabinet miisa 04, mpanolontsaina manokana maharitra 06, mpanolontsaina teknika maharitra 14, mpanolontsaina teknika manolo-tena (bénévoles), Attachés de presse 02, Aide de Camp, “ Assistants permanents”, Jurisconsultes 02, ary sekretera manokana 01». Izany hoe ny kabinetran` ny Filoha Herimanana Razafimahefa dia ahitana mpiara-miasa 41. Nampatsiahy izany moa ny HCC ka anisan`ny andininy nomarihany ny faha-12, 13, 14 ary 17 ao amin`io fitsipika io ka tokony hifampidinihana amin`ny mpanatanteraka izany. Nanamafy kosa ny Filohan` ny Filohan` ny Antenimierandoholona, Herimanana Razafimahefa, fa “ny Antenimierandoholona dia tsy maintsy mijery ny fitandrovana ny kitapom-bolam-panjakana. Rehefa misy ny fihenan` ny fidiram-bola dia mitaky ny tsy fisian`ny gaboraraka sy ny fandaniam-poana izahay. Tsy maintsy manaiky ny fandaminana rehetra na misy ny faniriana hampitombo ny mpanolotsaina hifanandrify amin`ny politikam pitsitsiana. Tsy nieritreritra mihoatra izay voafaritra ny tetibola kosa izahay fa ny teo ihany ny nalamina sy narindra” hoy izy. Andrasana, araka izany, ny fankatoavan` ny HCC ny fitsipika anatiny, tsy maintsy mbola hifampidinihana amin`ny mpanatanteraka amin`izay vola hoenti-manana ary aorian` izay ny fifidianana ireo vaomiera.

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT