Politique

Filohan` ny Antenimierandoholona Mifaninana Imbiki sy Ramanambitana


  • Talata 19 Janoary 2021

Namoaka ny vokam-pifidianana ofisialy ho an'ny fifidianana Loholona ny HCC ny 07 janoary lasa teo.

 

 

10 no toerana azon'ny Isika rehetra miaraka amin'i Andry Rajoelina (IRMAR), nahazo toerana 2 kosa ny Malagasy Miara-Miainga (MMM). Omaly dia nivoaka ny lisitr` ireo loholona notendren` ny Filoham-pirenena araka ny didim-panjakana lah. faha 2021-060 : Imbiki Herilaza, sekretera jeneralin` ny minisiteran` ny Fitsarana (Toamasina), Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa, Hajaniaina Tahina Andrianandrasana. Marihana fa izy telo mianadahy ireto dia mpitsara avokoa. Manampy azy ireo i Jean André Ndremanjary na Iaban`i Kemba (Fianarantsoa), Richard Victor Tsiebo Mahaleo (Toliara), izay tale eo anivon` ny minisiteran` ny fanatanjahan-tena ary Richard Ramanambitana (Antananarivo), izay tale eo anivon` ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Raha ny loharanom-baovao dia nisy ny fivoriana omaly sahabo tamin` ny telo ora sy sasany hariva ka olona miisa 12 no noraisain` ny Filoha Rajoelina tetsy amin` ny lapan`Ambotsorohitra mialohan`ny nandraisany fanapahan-kevitra amin`ireo loholona hotendreny. Fantatra fa mifaninana ho filohan` ny Antenimierandoholona i Imbiki Herilaza sy Richard Ramanambitana. Tsy azo atao tsirambina ny fanendrena ny ho filohan’ny antenimierandoholona ity satria iankinan’ny politika ny fanjakana sy ny hahamarin-toerana azy. Tsikarotra kosa fa mihafy ireo olom-boafidy noho ireo olom-boatendry raha izany. Anio moa ny fivoriana manokana, araka ny didim-pitsarana lah. faha-01 HCC/AR tamin` ny 07 janoary 2021, etsy amin` ny Antenimierandoholona Anosikely, ka amin` ny talata 03 febroary izao ny fifandimbiasam-pahefana eo amin`ireo loholona roa tonta.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT