Araka ny voafaritry ny lalàna, hivory voalohany ireo solombavambahoaka vao voafidy ny talata faharoa manaraka ny famoahana ny voka-pifidianana ofisialy,
izany hoe ny 16 jolay ho avy izao ka ao anatin`ny lahadinika ny fananganana ny birao sy ny vaomiera. Ny tena andrasan`ny besinimaro dia izay ho filohan`ny Antenimieram-pirenena. Efa misy moa ny anarana miparitaka saingy tsy olona loatra no jerena, hoy ny filoha nasionalin`ny antoko AKFM, Eric Rakotomanga fa ny toetran`izay ho filoha. Ny fitarihana solombavambahoaka tsy hanao ny fomba maloto teo aloha no takiana. Andrasana ihany koa ny fandaminana ankapobeny fa tsy hirona amin`ny fitadiavana tombontsoa manokana toy ny fitakiana 4x4 na “assistant parlementaire” mampiasa fitaovam-panjakana... Mazava raha ny fironana amin`ny ankapobeny fa ny IRD no manolotra izay anaran`ny filoha eo amin`ny Antenimieram-pirenena, hoy hatrany ny fanazavana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.