Tonga nijery ny fanatsarana natao tao amin’ny fokontany Tsaramasay, Ankorondrano Andrefana, Ankorondrano Andranomahery ny filoham-pirenena mivady, niaraka tamin’ny lehiben’ny banky afrikanina momba ny fampandrosoana na BAD, Akinwumi Adesina, omaly.
Ny tanjon’izao fidinana ifotony izao dia ny hampiseho ireo mpiara-miombon’antoka ny tena zava-misy iainan’ny vahoaka malagasy eny amin’ny faritra iva, raha ny fanazavana. Nodiovina sy namboamboarina daholo ny manodidina teny amin’ireo fokontany ireo, ary tena nadio kosa aloha.Tsy tongatonga ho azy ny hetsika tahaka izao fa ao raha; hita ho miezaka manao pi-maso ny faritra iva hatrany ny filoha Rajoelina izay nanambara fa misy solontena avy amin’ireo mponina amin’ny faritra iva ireto hiaraka aminy ho any Egypta hijery ny lalaon’ny Barea atao ny alahady ho avy izao. Efa vita ny pasipaoronareo, hoy ingahy filoha omaly ka lasa izao ary hiaraka aminay mivady ianareo !
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.