Ireo toerana hitany fa tena malemy na mety ho resy ny kandidany no hanaovan’i Andry Rajoelina propagandy an-kolaka, toy ny tao Tsiroanomandidy sokajiana ho tokotanin’ny TIM.
Raha ny tantara, ny faritra Bongolava no nanao “Tsia” tamin’ny fanovana lalàmpanorenana tamin’ny 2010. Ireny niaraha-nahita ireny ny teto Antananarivo izay tena ratsy toerana ireo kandidan’ny IRD, ka mila atosika satria atahorana ho resy. Any Ambatondrazaka dia mety tsy ho hita tabilao, ka dia midina an-tsehatra ny filoha tsy miteny fidio, fa kosa miara-dia sy mba hialokalofan’ny kandidany eo. Re fa ho any Mandritsara izy anio. Tetsy an-kilany anefa, raha ny zava-nisy ny alatsinainy teo dia nanamafy ny tsy tokony ho fitanilan’ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy nampitandrina ireo olom-panjakana ambony hatrany amin’ny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana ny Praiminisitra Ntsay Christian. Ny filoha kosa tsy te hahalala izany. Toa efa endrika iray tsy maneho ny tsy fifankahazoana eo amin’ny praiminisitra sy ny filoha io. Ny iray miezaka mandamina sy mipetraka ho arofanina ary miezaka manaja sy mampanaja ny lalàna satria miainga avy any ambony ny ohatra. “Ny asan’ny Filohan’ny Repoblika dia tsy azo ampirafesina asam-panjakana naha voafidim-bahoaka, asa aman-draharaha hafa, asa ao amin’ny antoko politika, na fikambanana, ary fisahanana andraikitra eo anivon’ny fikambanam-pivavahana”. Antony goavana hahafahana manaisotra ny filoha amin’ny toerany ny fandikana ireo, raha ny voalazan’ny andininy faha-49 amin’ny lalàmpanorenana. Lalàna mipetraka fa tsy natao ho hajaina?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.