Politique

Filoha Ratsiraka Tsy misy mpiresaka intsony sahady


  • Talata 06 Aprily 2021

Herinandro katroka izay no nandevenana ny nofo mangatsiakan’ny filoha Ratsiraka Didier teny amin’ny fasan’ny maherifo eny Avaratrambohitsaina,

 

 

 izay izy no nampanamboatra azy. Tao anatin’ny fietanam-po feno ny fanomezam-boninahitra azy tao amin’ny lapam-panjakana Iavoloha, izay tamin’ny fotoan’androny ihany koa no nanamboarana azy. Tsy nisy tsy niresaka ny Amiraly ny fitaovan-tserasera tamin’ny haino vaky jery teto an-toerana sy ny tany ivelany ihany koa. Nitohy nandritra iny herinandro lasa iny ny fanehoan-kevitra mikasika ny tantara mifamatotra tamin’ny filoha teo aloha nodimandry. Ny tsikaritra anefa dia toa tsy nisy mpiresaka intsony ny momba azy herinandro aty aoriana. Toa hadino tanteraka tampoka teo ny momba azy. Ny Covid-19 rahateo ihany koa moa manao ny ataony etsy an-daniny. Na ny eny anivon’ny fianakaviam-ben’ny Tafika aza dia nahitana fihetsika toa manivaiva voninahitra ny manamboninahitra jeneraly andro vitsy monja taorian’ny fahalasan’ilay hany tokana nanana ny galona ambony indrindra teto amin’ny tany sy ny fanjakana. Tsy mbola fahita mantsy izany vadina jeneraly manao ny satroky ny vadiny izany ka maka sary amin’izany fihetsika izany ary haparitaka etsy sy eroa ilay sary raha tsy teto Madagasikara tamin’ity volana aprily 2021 ity. Ny tsoan-kevitra lehibe navoitry ny fodiamandrin’ny Amiraly ihany koa dia ny fahatsapan’ny mpitondra ankehitriny fa nahavita zavatra ho an’i Madagasikara ireo mpitondra nifanesy hatrizay. Raha ny kabary samihafa re tany aloha tany mantsy no henoina indray dia toy ny tsy nanao na inona na inona mihitsy ny mpitondra rehetra hatrizay fa izao fitondrana izao no sambany vao tena hanao zavatra eto amin’ity firenena ity.

Nangonin’i Jean D.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

  • Datin’ny 14 oktobra
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Fototry ny kihon-dalan’ny

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

Hijery ny tohiny
FTT