Tsy mahafantatra.izay tena laharam-pahamehana ho an’ny vahoaka Malagasy ny fitondram-panjakana, raha jerena amin’ny fomba fiasany.
Isika efa miha mahantra, fa ny hanao kianja sy hanototra tanimbary no mahamaika. Ankehitriny dia io voasokajy ho firenena faha-29 amin’ny 31 mahantra indrindra eto ambonin’ny tany. Mihazakazaka ho gisitra. Asa na tsy fahafehezana ny politika na misy mampijabaka ny filoha ao. Ny ao anaty fanjakana sy mpanara-dia ny filoha Rajoelina ihany dia efa mahatsapa fa nihena be sahady ny taham-pankafizan’ny olona azy na ny “taux de popularité”. Ao anatin’ny ambony io taha io no manimba tena maka tanin'olona, kanefa nilokaloka tamin’ny vahoaka fa tsy haka ny tanin’ny Malagasy fa hanome aza. Ny fananganam-pahavalo mihazakazaka. Firifiry ireo depiote ireo ahiahiana ho nanao kolikoly tamin’ny resaka malety malety. Nahoana no tsy voakitika fa olona roa 2 na 3 mety hananana lonilony no hatao hazalambo ? Izao dia hoe averina ny andrimasom-pokonolona eto Antananarivo. Naninona izao izany raha tamin’ny febroary 2019 dia efa natao. Toa tsy misy sori-dàlana mazava hizoran’ny firenena, fa toa any amin’ny resaka famonoana afo sisa no tena hampisehoana fa misy ny fandraisana andraikitra. Miandry kiana mivaivay sy olana efa miparitaka eny amin’ny tambajotran-tserasera vao mikorapaka. Aiza ho aiza izao ny fampiharana ny vahaolana ho an’ny mpampianatra sa hiandry grevy indray vao hikorapaka?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.