Politique

Filoha Rajoelina Nanolotra fiara hampiasaina amin’ny JMJ –Mada faha-10


  • Talata 10 Mey 2022

Hotanterahina tsy ho ela ny andro maneran-tany ho an’ny tanora na ny JMJ Mada andiany fahafolo ho an’ireo mpino Katolika eto amintsika.

Any Antsirabe no hanatontosana azy io,izay tena ilana fanomanana goavana tokoa. Tonga nangataka tohana sy fifanomezan-tanana tamin’ny Filoham-pirenena Rajoelina izy ireo omaly mba hanamorana ny fandaminana sy ny fanomanana ity hetsika lehibe ity. Raisiko ho adidy ny fanohanana sy manampy ireo tanora namako ao anatin'ny VPKT hoy ny filoha. Am-pitiavana noho izany hoy izy no nhanolorako fiara ho entin’izy ireo mitety faritra ho fanomanana ny JMJ-MADA andiany fahafolo. Nohamafisiny moa fa santatra am-bava rano ihany izao fa ho eo anilan’ireo tanora mandrakariva mandrakariva ny tenany ary hitondra anjara biriky amin'ny fanomanana ny JMJ-MADA. Manantena ny fanampian’ny filoha tahaka izao ihany koa ireo tanora Kristiana eny anivon’ny fiangonana namana hafa ho fanatevenana ny asa fanompoana sahanin’izy ireo.
Nangonin’i Pati
Legende : Nandritra ny fanolorana ny fanalahidin’ilay fiara teny Amboitsorohitra omaly
 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT