Araka ny fanehoan-kevitra nataon` ny filoham-pirenena, mitohy hy fepetra samihafa amin` ny fiatrehana ny aretina COVID-19 amin`ireo faritra telo cvoaksika.
Tsy voaresaka kosa ny momba ny tantsoroka amin`ny fiainam-bahoaka ao anatin`ny fiatrehana izany araka ny fanehoan-kevitra samihafa. Isan` ireo naneho ny fahadisoam-panatenany ny sekretera jeneralin` ny sendikàn` ny mpiasa (SSM), Barison Rakotomanga, tamin`ny fiandrasana ny kabarin` ny filoha ny alahady lasa teo. Ny zoma 01 mey no nankalaizana ny fetin` ny asa. Maro dia maro ireo olana sedrain` ny mpiasa voaresaka tamin` izany. Roa andro taorian` izay dia nisy ny lahatenin` ny filoha kanefa tsy nisafo ireo olana na iray aza, hoy izy. Tsy nahatsiaro ny mpiasa ny filoham-pirenena sa kosa ny kabarin` ny minisitry ny asa tamin` ny 01 mey ve no nisolo tena azy? hoy hatrany ity sekretera jeneraly ity. Karama tapaka, mpiasa niato amin`ny asany , asa very an` alina, orinasa maro no misedra olana tamin` ity krizy ara-pahasalamana ity. Baraingo tanteraka ny vahaolana saingy fanazavana tambavy CVO no nifotoran` ny kabarin` ny filoha Rajoelina.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.