Maro ireo mpanao politika, mpanara-baovao, olom-pirenena no miandry izay ho vokatry ny fifidianana solombavambahoaka.
Io tokoa mantsy no mamaritra raha halalaka tanteraka na tsia ny fitondrana Rajoelina. Vita iny ny zato andro voalohany nitondran`ny filoha Rajoelina ary nisongadina ny fananany fahefana feno. Izy no filoha lehiben`ny mpanatanteraka, mandray ny toeran`ny mpanao lalàna amin`ny alalan`ny didy hitsivolana, lehiben`ny filankevitry ny mpitsara… Tsy midika akory fa ny politikan`ny filoha no hampiharina eto amin`ny firenena fa izay maro an`isa ao amin`ny Antenimieram-pirenena no tompon`ny politika ary voafaritra ao anatin`ny lalàmpanorenana izany. Ny depiote maro an`isa ao amin`ny Antenimieram-pirenena no mampihatra ny politikam-panjakana ary ny praiminisitra dia tendren`ny vondrona politika izay nahalany be indrindra. Raha misy vondrona politika hafa mahavory depiote maro indrindra dia io indray no manendry praiminisitra ary anjarany no mamory ireo hery politika izay hanohana ny politikam-panjakana. Ny filoham-pirenena no tompon`ny fahefana amin`ny soratra fa rehefa mifanohitra amin`ny maro an`isa dia tsy maintsy misy ny fiaraha-mitantana. Marihina fa tsy ny filoha irery no manapaka sy mitantana ny firenena fa ny filoha sy ny governemanta ao aminy satria ny governemanta dia mety tsy hitovy firehana aminy. Tsy mahagaga raha hisisika hampandany ny olony ny fitondrana ankehitriny. Amin`izay fotoana izay, ny olona mpomba ny filoha no maro an`isa sy afaka manolotra ny anaran`ny praiminisitra vaovao. Tsy feno mantsy ny fahefany satria ny Antenimierandoholona, izay tsy azony ravana, dia olon`ny antoko HVM no maro an`isa. Porofo iray ihany koa, ny fandavan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny fitsapan+kevi-bahoaka izay nokasaina hatao amin`ny 27 mey ho avy izao ihany koa. Araka izany, io no fotoana ilain’ny filoham-pirenena hamantarany ny hoaviny amin`ny fitantanana ny firenena mba hitondrany tsy amin’ahiahy.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.