Politique

Filoha Rajoelina Feno manam-pahaizana manodidina azy, saingy....


  • Alatsinainy 20 Jona 2022

Fomba firesaka hoentin’ireo te hanadio sy hiaro mafy ny Filoha ankehitriny amin’ny tsy fahombiazany ny hoe: Atoa Andry Rajoelina tsara sy te hanao zavatra ihany fa ireo manodidina azy mihitsy ny ratsy.

Endrika fanilihana izany, ny Filoha no voalaza fa voafidim-bahoaka, ka izy no tompon’ny teny farany. Eo mihitsy no mety ho olana satria mety ilay Filoha mihitsy mety no sarotra sy tsy tia mihaino ny hafa, ary misy amin’ireo tan-dapa no mivaky an’izany, misy aza olona ambony tsy ampoizina ao anaty Fanjakana tena mifosa ilay Filoham-pirenena no ataony any am-pisakafoanana amina hotely lehibe,… Biby tsy manan-doha tsy mandeha, hoy ny fitenenana, izay midika fa miankina amin’ny Filoha faran-tampony ny zava-drehetra. Sao mba ny lohany mihitsy no matsatso? Izy moa no patrón be na “big boss” dia lasa manaraka ny lohany, ny fari-pahatakarany, ny fari-pahalalany ny rehetra,... Tena olona manana ny maha izy azy daholo ny ankamaroan’ireo eo anivon’ny Fiadidian’ny Repoblika sy ny governemanta ireo, tena varatra be amin’ny fahaizana amam-pahalalana ny ankamaroany na misy ihany aza ny sasany mety noho ny fiarahana ara-politika hatrizay no nakana azy,… Ny Praiminisitra izany, ohatra, dia isan’ireo Malagasy fonksionera ambony nanana ny naha izy azy teo amin’ny sehatra iraisam-pirenena, misy mpanolo-tsaina tena mahay.
TSY AZO TOHININA, TSY MANAIKY HO DISO ?
Tsy misy olona tendrena amin’ny toerana sy andraikitra ambony dia hieritreritra hoe: hanao izay haharatsy laza na tsy hampahomby ny sehatra iasany no tanjony na mety manao izahay hahafeno ny paosiny tokoa aza ny sasany. Ireo manodidina azy tokoa ve no sakana sa ilay Filoha? Raha ny hita hatramin’izay, tsikaritra ho toa manana toetra tsy azo tohinina sy tsy manaiky diso, be hambom-po, be lolom-po,… i Andry Rajoelina raha tsy hilaza afatsy ny tamin’ireny fandrahonana imasom-bahoaka hoe: “fantatro ianareo, ho hitanareo ny hahazonareo” rehefa tsy nifanaraka tamin’ny lohany ny zava-niseho momba ny resaka baolina kitra sy fitokanana kianja tamin’ny septambra 2022. Toa ny azy ihany no marina, ary mety te hampanjaka ny heviny manokana, ary rehefa midona amin’ny rindrina vao mody manova famindra. Iaraha-mahita ny tsy fisiana sori-dàlana mazava hitondrana ny firenena fa indraindray arakaraka ny zava-miseho eto amin’ny firenena, ny vahiny no manome lesona sy mahalala kokoa ny olan’i Madagasikara toy ilay hoe: mambolea ianareo,… Ny olona etsy andaniny mety tsy te hanana olana fa alefany amin’izay eo hoe: mety izany prezda isaky ny mihetsika.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT