Politique

Filoha misora-tena ho tompondaka Tena tsy alehany ianao, hoy ny vahoaka


  • Alakamisy 25 Aogositra 2022

Nandritra ny fandraisany ireo mpilalaon’ny Ankoay teny Iavoloha omaly no nanehoan’ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny tsy fahafahany niatrika ny lalao satria izy ihany koa mba voahosotra ho tompondaka tany ampitan-dranomasina.

Raha efa somary nangingina iny resaka nampiady hevitra iny, dia nofohaziny indray. Tahaka izao ny nambarany, izay haverina eto ahafahan’ny olom-pirenena mamakafaka tsara hoe: hatraiza ny fahamarinan’ny ambarany sy ny zava-misy manjo ny firenena: “…Izaho ihany koa mba “Champion”, “champion de l’industrialisation en Afrique”, ary eto aho no manazava azy amin’ny vahoaka Malagasy hoe: tsy iadian-kevitra akory ny maha “champion” ahy izany. Matoa ianao “champion” izany dia misy antony, ary tsy adala ny olona miteny anao hoe: ianao no “champion”. Raha fintinina hoe: inona no naha “champion de l’industrialisation” ahy dia mba zaraiko aminareo ihany sy ho an’ny vahoaka Malagasy, ny naha “champion” antsika Malagasy sy ny tenako dia ny fanananana vina na “vision” hoentina mampandroso ny firenena, ny fanananana planina na “plan” hoe: ahoana no hampandrosoana ity firenena ity, ary indrindra ny fanananana “strategie”, izay no zava-misy!... Talohan’ny naha “champion” amin’ny filoham-pirenena ny tenako, ny Filohan’I Senegal Macky Sall no “champion” noho ny fananany ny “Plan pour l’émergence” an’I Sénegal izay nanaovany tanàna vaovao, indostria maro be. Talohan’I Macky Sall dia ny Filohan’I Côte d’Ivoire, izay miakatra be ny harin-karena faobe (PIB) an’izany ankehitriny, ary talohan’izany dia ny Filohan’I Ghana. Firenena matanjaka daholo ireo, izay isika Malagasy vao “champion”…!”, hoy I Andry Rajoelina. Zary lasa ataon’ny olona fihomezana ny Filoham-pirenena, raha tarafina amin’ny setrin’io amin’ny tambajotran-tserasera! “Champion de la nullité”, hoy ny sasany, “champion” amin’ny lainga sy ny abobo, hoy ny hafa, ao ny miteny fa “champion” amin’ny makety, misy ny maneho fa tompondakan’ny fanondranana harem-pirenena?, “champion” amin’ny fitantarana angano hoy ny sasany,… Tena mifanaraka amin’ny maha tompondaka azy ve ny toekarena sy ny sosialim-bahoaka. Maneho ny Filoham-pirenena fa ny fananany vina sy planina hoenti-mampandroso ny firenena, kanefa vina sy planina poakaty raha jerena amin’izao zava-misy izao. Mampitaha hoe: nanana ny “Plan pour l’émergence” I Senegal dia niakatra be ny harin-kareny fa Rajoelina mba nanana ny IEM (Initiative pour l’Emergence de Madagascar) fa aiza isika izao? Moa nisy vola nanatanterahana azy? Ny azo hamehezana azy dia toa mitoetra ilay fanasokajiana nataon’ny vazaha tamin’ny andron’ny tetezamita hoe: tsy misy kalitao.
Toky R
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT