Politique

Filoha lefitry ny CFM - Toamasina “Ho tohizana ny fampihavanana tao Brickaville”


  • Alarobia 29 Jona 2022

Natao hitarika ny fampihavanana eto Madagasikara ny filankevitry ny fampihavanana Malagasy na CFM, araka ny lalana 2016-037 ny 2 febroary 2017,

hoy ny filohan’ity rafitra ity izay misahana ny faritanin’i Toamasina, Rasolondraibe Jean Jacques. Amin’ny alalan’ny rafitra misy ao aminy no anaovana izany, hoy izy, indrindra, ny kaomisionina toy ny “fahamarinana sy fifamelan-keloka”, “famotsoran-keloka sy fanonerana”, “fanorenana ny repoblika sy ny firenena”. Nanao famotsoran-keloka izahay saingy tsy miankina aminay kosa ny fanonerana fa miankina amin’ny tahirim-bolam-pirenena ho an’ny fiaraha-miaina sy fifankatiavana na ilay antsointsika hoe “Fonds souverain”. Nidina ifotony izahay dia nilaza taminay ireo tangalamena hoe misy fomban-drazana toy ny tetefery, joro, tsaboraha sy ny maro hafa izay fomba tena malagasy sy soatoavina entina hampihavana indray sy hanasitrana ny fery nahazo ny firenena iray na antokon’olona. Betsaka ny vono olona sy tranga naha traboina teto amin’ny firenena. Teo ny fanavakavahana ara-politika, ara-pinoana, ara-pivavahana sy izay rehetra mety niteraka lonilony dia tokony sasana daholo. Velom-panantenana izahay fa hisy vokany ny fampihavanana natao tao Brickaville, izay distrika nisy havana maty, very harena, voan’ny voina maro samihafa ka tena mila fampihavanana. Izay no heritreritray satria ny tena moa filoha misahana an’i Toamasina dia io ilay hoe miasa eny ifotony saingy mihevitra ny manontolo na “Agir localement mais penser globalement.”. Anisan’ny nitondra faisana tamin’ny fotoan’androny i Brickaville. Nalaza hoe teo amin’ny “pont Bailey” ny barazy. Nisy ny maty, naratra, nitondra faisana. Nisy toerana iray antsoina hoe Antsampan’I Mahazo, ohatra, nisehoana zava-doza mihitsy, hoy hatrany ny tenany, ka mino izahay fa hisy vokany iny fampihavanana natao tany Brickaville ary ho tohizana any amin’ireo faritra hafa iny.
J. Mirija
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Kaominina Antsirabe I
  • Talata 12 Mey 2026

Nametra-pialana ny ben’ny tanàna…

  • Politika
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Notendrena ho mpanolo-tsain’ny

  • Razafindrandriatsimaniry Dieudonné Marie Michel
  • Alatsinainy 11 Mey 2026

Fametrahana aty ifotony ny fitsinjarana

  • Praiminisitra Mamitiana Rajaonarison
  • Alakamisy 07 Mey 2026

« Tsy tia an’i Madagasikara

  • Namaly an’i Roland Ratsiraka
  • Alakamisy 07 Mey 2026

ireo fiarahamonim-pirenena

  • Pr Joseph
  • Alarobia 06 Mey 2026

« Ara-dalàna sy valin'ny nataony

Hijery ny tohiny
FTT