Politique

Filoha lefitra vaovaon'ny CENI "Tsy olana na tsy feno aza ny mpifidy vaventy"


  • Talata 22 Septambra 2020

Tontosa omaly 21 septambra teny amin'ny Fitsarana Tampony Anosy ny fihanihanan'ny Filoha lefitry Vaovaon'ny CENI Atoa Benaivo Andrianaly Narcisse.

 

 

 

Izy no solon'Atoa Thierry Rakotonarivo, izay niala ny 11 martsa 2020 taorian'ilay ampamoaka mombana fisiana laharan-karapanondro an-tapitrisany sy anarana miverin-droa (doublons) an'hetsiny ao anaty lisi-pifidianana. Notoriana teny amin'ny HCC, ary voamarina ny fahabangan-toeran'ny Filoha Lefitra ka ny 30 jona no nifidy ny solony ny depiote amin'ny maha solontenan'ny Antenimieram-pirenena azy, ary Atoa Benaivo Andrianaly Narcisse no lany tamin'ny kandida 24 nifaninana. Vonona hitondra izay traikefa kely mba hananana sy izay traikefa kely mba efa misy hanatsarana hatrany ny fomba fiasa eo anivon'ny CENI. Am-panetren-tena no ilazana fa tsy dia vahiny loatra amin'ny fikarakarana fifidianana ny tena satria vao nivoaka tao amin'ny ENAM (Sekolim-pirenena momba ny fitantanan-draharaham-panjakana) dia efa niandraikitra an'izany, hoy io Filoha lefitra vaovao io. Teo aloha dia tao amin'ny Minisiteran'ny Atitany no niantsoroka izany, ary tsy niala lavitra tamin'io hatramin'ny nidirana tao amin'ny CENI. Amin'ny maha fifidianana ho an'ny mpifidy vaventy dia moramora kokoa ny fanomanana mitaha ny fifidianana solombavambahoaka, ben'ny tanàna,... Amin'ny maha teknisianina dia sahiko ny miteny hoe ohatran'ny fifidianana rehetra na dia hoe mpifidy vaventy aza, tsy voatery ho ny rehetra no voasoratra anaty lisi-pifidianana fa izay ara-dalàna, izay avoakan'ny fitsarana ka ireny dia afaka manatanteraka ny fifidianana, hoy izy. Tsy mifanalavitra amin'ny nambaran'ny Praiminisitra Ntsay Christian ny alahady teo ny nambaran'ity Filoha lefitry ny CENI ity, izay maneho fa tsy misy olana izany ny tsy fahampiana eo amin'ny vondron'ny mpifidy, kanefa kaomina 24 no nisy olana ny fifidianana ben'ny tanàna sy mpanolotsaina.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT