Politique

Filatsahan’ny didin-dRajoelina Tandindonin-doza indray ny Fitsarana


  • Talata 30 Aprily 2019

Miteraka adihevitra lehibe ny filazan-dRajoelina ny andron’ny alahady lasa teo, fa “gadra mandra-pahafaty ho an’izay mahafaty olona”.

Fametrahana ny tany tan-dalàna sy fandriampahalemana no heverina fa tanjona ao anatin’io. Na izany na tsy izany, dia tena fidirana an-tsehatra mibaiko ny mpitsara amin’ny asany izany ny filoha. Aiza ho aiza ny fahaleovantenan’ny Fitsarana ? Ny mpitsara no mandalanjalanja ny sazy mety homena ny olona iray araka ny fiarovantenany, ary mety ho amin’ny endriny samihafa ny hisehoan’io famonoan’olona io. Mila hazavaina sy dinihina ary tena hampidirina any amin’ny fehezan-dalàna famaizana io, raha hidirana. Samy manana ny handikany iny resaka fanagadarana mandra-pahafaty iny ny tsirairay, kanefa tena mila dinihina lalina io. Maro rahateo ny zavatra mila iadian-kevitra sy ahitsy eto, ary isan’izany io tontolon’ny fitsarana io. Natsangana, ohatra, ny HCJ (Fitsarana ambony) natao hitsarana ireo olom-panjakana ambony, saingy zary lasa fialonkalofan’ ny minisitra, praiminisitra, filoha,… voarohirohy amina afera maloto samihafa io noho ny fahasarotan’ny dingana tsy maintsy arahina, toy ny tsy maintsy fahazoana fankatoavana amin’ny depiote. Firifiry moa ny olona ambony voarohirohy, fa isaina amin’ny rantsan-tànana ny mba tena henjehina, ary toa valifaty politika aza no antony. Misy olona ao anaty fanjakana na akaiky ny mpitondra, misy depiote teo aloha na minisitra teo aloha, eny fa na minisitra am-perinasa aza,… voatonontonona na voarohirohy amina afera maloto toy ny fanondranana boaderozy fa toa tsy mba henjehina. Eto amintsika dia misy ny lalàna natao ho an’ny vahoaka madinika, ary misy ny lalàna ho an’ny mpitondra, ary toa resabe ny hoe: samy eo ambanin’ny lalàna sy mitovy ny rehetra. Tsy tena mipetraka ny fisaraham-pahefana satria ny Filoha izay ao anatin’ny fahefana mpanatanteraka, dia Filohan’ny Filankevitra ambonin’ny mpitsara, mbola misolo ny antenimieram-pirenena ihany koa ankehitriny ka manana zo feno hanao lalàna, ka tsy atao mahagaga raha mitady hanao izay saim-patany sy ny metimety aminy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • PR
  • Talata 20 Oktobra 2026

JOSEPH HARIMALALA

  • GEN Z
  • Talata 20 Oktobra 2026

POUR LA REFONDATION

  • Depiote teo
  • Talata 20 Oktobra 2026

aloha Ninah sy ny zanany

  • TETIKASA
  • Talata 20 Oktobra 2026

"ÉLECTIONS-MAHASAKY"

  • PRRM
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

Randrianirina Michael

  • Randy Donny
  • Alatsinainy 19 Oktobra 2026

"Novetavetain'ny fanjanahana

Hijery ny tohiny
FTT