Politique

Filankevitry ny vehivavy “Nampanantena hametraka miralenta ny filoham-pirenena”


  • Alakamisy 22 Oktobra 2020

Nampanantena ny hametraka ny atao hoe miralenta ao anatin’ny fitantanana ny firenena ny filoham-pirenena, hoy ny avy eo anivon’ny CNFM na filankevim-pirenen’ny vehivavy eto Madagasikara.

 

 

Isaorana ny efa vitany hatreto, hoy ny filohan’izy ireo, Estelle Andriamasy. Raha ity fifidianana loholona manaraka ity anefa no asiana resaka, hoy izy, dia efa vonona ny hifidy vehivavy ny Malagasy ankehitriny raha hoe resaka fifidianana ka misy vehivavy hitany mijoro vonona hitondra ny hetahetany any amin’ny fiarahamonina. Voaporofo izany tamin’ny fifidianana ben’ny tanana sy solombavambahoaka. Ny fahavitsian’ny vehivavy milatsaka mihitsy, hoy hatrany ny CNFM, no olana mbola mahatonga ny fahavitsian’ny vehivavy lany. Vitsy ny vehivavy mitantana antoko politika eto toy ny hoe filohana antoko na sekretera jeneraly. Tsy maintsy ifandinihana anaty antoko anefa hoe iza no halatsaka hitondra ny anaran’ny antoko, hany ka tsy misy anaram-behivavy voafidy. Sarotra ho an’ny vehivavy anefa ny mirotsaka amin’ny anaran’ny tenany manokana satria izy marefo ara-toekarena. Efa nisy fotoana nandinihana ny hoe “loi sur la parité a Madagascar”. Tsy hijanona amin’ny fanentanana ny depiote handany an’io izahay, hoy hatrany ny CNFM, mba hipetrahan’izay vahaolana miainga amin’ny lalana izay.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT