Politique

Filankevitry ny tanàna Nekena avokoa ireo teboka goavana


  • Alakamisy 25 Jona 2020

Tamim-pilaminana ihany no niafaran` ny fivoriana ara-potoana teny amin`ny filankevitry ny tanànan` Antananrivo Renivohitra na dia nisy mpanolontsaina no nampiaka-peo vantany vao nivoaka ny lahadiniky ny fivoriana.

 

 

Teboka dimy goavana no lany tamin` ny alalan` ny latsabato miafina: voalohany, ny fampiasam-bola tamin` ny taona 2019. 20 tamin` ireo mpanolotsaina no nanao eny ka 04 kosa no nanao tsia. Makahasika ny tetibola fanampiny ho amin` ny tapna 2020 dia 47 ireo nanao eny ka 7 kosa tsia. 47 no nanao eny amin` ny fanitsiana vitsivitsy amin` ny rafi-pitantanana ka 10 ireo mpanolontsaina . Teboka tena niteraka resa-be ny fanaovana ny tsangam-bato faha-herintaonan’ ny “Asa Tagnamaro” etsy Ankorondrano saingy 28 no nanaiky raha 27 kosa no nandà izany. Farany dia 29 no nanaiky ny fidiran` ny Kaominina Antananrivo Renivohitra ao anatin` ny IPAM raha 26 kosa no nitsipka izany. Marihana fa folo andro ny faharetan` ny fivoriana ara-potoana teo anivon` ny filankevitry ny tanànan` Antananarivo Renivohitra izay nifaranana ny talata lasa teo.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • ANTOKO POLITIKA RPMU
  • Zoma 16 Oktobra 2026

« Tokony hiaraka amin’ny

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

Hijery ny tohiny
FTT