Nisy omaly 27 mey ny tatitry ny filankevitry ny minisitra nentina nanamafisana ny fampanajana ny fepetra ara-pahasalamana,
fanampim-panazavana mahakasika ny andrana ara-pitsaboana miendrika tsindrona izay hiarahana amin’ny OMS ary tsiambaratelo hatreto ny anarany araka ny fifanarahana. Nodinihina ny volavolan-dalàna mifehy ny tetibolam-panjakana nasiam-panintsiana 2020, ka nambara fa mifototra sy mifantoka amin’ny fampianarana, fahasalamana, rano sy fanadiovana, toeram-ponenana, angovo, fanamboaran-dàlana. Nirarakopana ny fanendrena olona amina toerana ambony, ka 8 ho an’ny Minisiteran’ny fiarovam-pirenena, 6 ho an’ny Minisiteran’ny raharaham-bahiny, 2 Fitsarana, 5 Atitany, 3 Fanajariana ny tany, 6 ho an’ny Minisiteran’ny rano, 2 ho an’ny fampianarana ambony, 1 ho an’ny Indostria, 3 ho an’ny Minisiteran’ny tontolo iainana, 2 Paositra, 1 ny minisiteran’ny mponina, 2 ho an’ny tanora sy fanatanjahantena, 2 ho an’ny Minisiteran’ny serasera, 1 Minisiteran’ny harena an-kibon’ny tany.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.