Nisy omaly ny filankevitry ny minisitra tamin’ny alalan’ny “visio conférence”. Ara-toekarena, dia nohamafisina ny fanalavana ny fandoavan-ketra ho an’ny sehatra afakaba, ny fizahantany,… T
oy izany ihany koa ny fanaovana fanambarana ara-ketra izay manana hatramin’ny 15 aogositra ny mpandraharaha. Manaraka izany ny fampindramam-bola amin’ny tahany ambany ho an’ireo mpandraharaha madinika. Nampahafantarina ny tetikasa “Programs for Results” iarahana amin’ny banky iraisam-pirenena izay hifantoka amin’ny fanarenana ny herinaratra sy ny fitaterana,… Nisy ihany koa ny fanendrena sy fanesorana olona ambony, ka isan’ny nesorina ny Tale Jeneralin’ny APIPA (Autorité pour la Protection contre les Inondations de la Plaine d'Antananarivo) Atoa Rateloson Philippe ka napetraka amin’izany toerana izany Atoa Rakotonjaranahary Ranto. Nofoanana ihany koa ny didim-panjakana nanendry ny Sekretera jeneraly lefitra eo anivon’ny Governemanta, araka ny tolo-kevitry ny Praiminisitra.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.