Araka ny tolo-kevitry ny Ministeran'ny Ati-Tany ny Fitsinjaram-pahefana, nankatoavina nandritra ny Filankevitry ny minisitra omaly 09 jona
ny volavolan-dalâna mikasika ny fametrahana ny faritra faha-23 eto Madagasikara, manitsy ny « annexe » laharana 01 amin'ny Lalàna laharana 2014-020 tamin'ny 27 septambra 2014, nasiam-panitsiana sy nampian'ny lalàna laharana faha 2018-011 tamin'ny 11 Jolay 2018, mikasika ny hoenti-manana eny anivon'ny vondrom-bahoaka hitsinjaram-pahefana, ny fikarakarana sy fanomanana ny fifidianana, ny fampiodinana sy ny anjara asan'ireo ratsamangaikan'izy ireo fa indrindra ahafahana mametraka Faritra faha-23 eto Madagasikara. Ny fizarana ny Faritra Vatovavy-Fitovinany ho roa, ka lasa Vatovavy sy Fitovinany io, izany hoe hotanterahina amin’izay izany taorian’ny adihevitra tsy nifankahitana tamin’iny taona 2020 iny. Nilamina ve izany ny disadisa momba ny adihevitra tamin’ny fitsinjarana ireo distrika ? Isan’ny tena olana tamin’izany ny mikasika an’I Ikongo. Andrasana izay ho akony taorian’ny fankatoavan’ny Filankevitry ny minisitra omaly.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.