Noraisina nandritra ny filankevi-panjakana omaly alarobia 23 jolay ny didim-panjakana mikasika ny fampiantsoana fivoriana tsy ara-potoanan’ ireo parlemanta roa tonta dia ny antenimierampirenena sy ny antenimierandoholona,
manomboka ny 03 aogositra 2021 ho avy izao. “Taorian'ny lanonana lehibe notontosaina androany maraina faha 21 jolay 2021 teto amin’ny Lapam-panjakana lavoloha, izay nanaovan-tsonia fifanaraham-piaraha-miasa isa etatra mitentnia 490 tapitrisa dolara teo amin’ny Fanjakana malagasy sy ny Banky lraisam-pirenena dia ilaina ny fampiantsoana fivoriana tsy ara-potoana na “session extraordinaire” an’ireo parlemantera, hoy ny tatitry ny filankevitry ny minisitra. Izany no hatao dia ahafahana manome fankatoavana ara-dalàna io fifanaraham-piaraha-miasa vao nosoniavina io sy ny fampiasana izany famatsiam-bola izany na “rectification de la convention”, hoy hatrany ny tatitra. Tsy mihoatra ny 12 andro ny fivoriana tsy ara-potoana, raha ny lalàna. Asa na mety hararaotina hatsidika ao anatin’ny fivoriana tsy ara-potoana ny resaka fitsipaham-pitokisana ny governemanta izay nafampana tato ho ato na ahoana raha tsy miova mialohan’ny fotoana? Ny depiote mpomba ny fitondrana sy ny Filohan’ny antenimieram-pirenena mihitsy rahateo no isan’ny nivoy fa tokony miainga amin’ny maro an’isa ao amin’io antenimiera io ny firafitry ny governemanta. Mila homena toerana ireo TGV tena nitolona, hoy izy ireo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.