Nanome toromarika ireo ministera tsirairay nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly ny filoham-pirenena.Izany moa dia tafiditra indrindra amin’ny drafi-panarenana ny toekarena sy ny sosialy mandritra ny enim-bolana faharoa amin’ity taona ity,
araka ny efa voarakitra ao amin’ny tetibola 2020 nasiam-panitsiana.Maro ihany koa ny fanadihadiana lalina atao any anaty ministera, eo ihany koa ny fanadihadiana ny tamin’ny fomba namoahana sy nanomezana ny tsenam-panjakana tamin’ny fanatanterahana tetikasa.Misy izany ny zavatra tsy mazava tsara sy mampiahiahy.Anisan’ny misongadina amin’ireo toromarika nomena ohatra ny fampitoviana ny karam-pokontany rehetra manerana ny nosy mba hanamorana ny fanatanterahana ilay « digitalisation » na fandraiketana anaty solosaina ny mombamomba ny mponina.Mila vitaina haingana sy mazava tsara ihany koa ny tolobarotra momba ireo Flyovers 2 heverina fa apetraka eny Ampasika sy Anosizato.Hisy ihany koa ny fanadihadiana isaky ny ministera mikasika ny fampiasana solika, tena entina miasa marina ve sa ahoana.Nomena toromarika hanokatra fanadihadiana ihany koa ny ministeran’ny fahassalamam-bahoaka momba ny fanorenana ny hopitaly manarapenitra any Maintirano sy ny fampitaovana azy izay ahiana ho mihoapampana.Voaresaka nandritra ny filankevitry ny minisitra omaly ihany koa ilay fandaharana « Kilasy pour Tous » namoahana volabe 1,140 miliara ariary tao amin’ny ministeran’ny fanabeazam-pirenena ; atao ny fanadihadiana lalina ary mety hiafara amin’ny fanafoanana io fandaharana io mihitsy aza izany.Mila hanaovana fanadihadiana tahaka izany ihany koa ny sorabola samihafa misimisy ihany tao amin’ity ministera ity tahaka ny nampiasaina nizarana rakibolana manerana ny nosy.Anisan’ny toromarika ihany koa ny tsy maintsy hahafantarana ny toerana vaovao hanorenana ny Tanamasoandro satria efa tsy raikitra ilay eny Ambohitrimanjaka moa.Farany, maro dia maro ny fanafoanana didim-panjakana sy fanendrena mpiasam-panjakana ambony omaly , singanina amin’ireny ny fanendrena ny tale vaovao hisahana ny fiarovana ny filoham-pirenena dia ny General de Brigade Rakotoniaina Maminirina izany.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.