Notanterahina ny 15 oktobra 2020 ny filankevitry ny minisitra voalohany natao ivelan’Antananarivo.
Tamin’io andro io ihany koa no nisantarana ny Filankevitry ny Governoran'ny Faritra. Ny Faritra Sofia no nampiantrano izany, ary natao tao Antsohihy renivohitra. Zava-dehibe ny fanaovana izany filankevitry ny Governoran'ny Faritra izany satria ahafahana manara-maso ny fizotran’ny fanatanterahana ireo tetikasa fampandrosoana, hoy ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina. Nampanantena ity farany tamin’io, fa hatao isaky ny 45 andro ny Filankevitry ny Governoran'ny Faritra toy izao ary hitety ireo Faritra 22. Mbola iny tany Sofia iny ihany aloha hatreto no natao, ary mbola baraingo raha hisy tohiny. Ny 25 septambra 2020 ny nanombohan’ny fanendrena an’ireo Governoran'ny Faritra. Nanoritsoritra ny iraka ampanaovina ireo Governoran’ny Faritra i Andry Rajoelina tany Antsohihy. Ireo no hamaritra ny laharampahamehana sy ny hitarika ny fanatanterahana ny asa fampandrosoana eny anivon’ny Faritra, ireo no hitarika ny famahana ny olana eny ifotony. Nisy in-droa miantoana izay ny vola fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana nomena hotantanan’ireo Governoran’ny Faritra, hanatanterahana foto-drafitrasa toy ny lalana, sekoly, tsena. Ireo Faritra miisa 21 no efa manana Governora hatreto, miandry ny fanendrena izay ho Governorany kosa hatramin’izao ny Faritra Betsiboka.
Jean D.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.