Vao tafapetraka dia efa tototry ny tsikera ny Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy na FFM noho ny fisian’ireo mpikambana sasany izay mampanahy ny tsy fananany fiandaniana kanefa fampihavanana sy famotsoran-keloka no andraikitra hosahaniny.
Araka ny lalàna 2012-010 tamin’ny 30 jolay 2012 ao amin’ny andininy faha-8, andalana faha-2 dia rehefa mivoaka eo anivon’ny governemanta ny didim-panjakana manendry azy ireo amin’ny fomba ofisialy vao afaka miasa ity filankevitra ity. Tsy maintsy hampandalovina ao amin’ny governemanta ihany koa ny antontan-taratasy rehetra sy ny fombafomba nentina nanaovana ny sivana ka nisafidianana azy 44 minadahy. Izany no atao dia hahafahana mitily raha nanaraka tsara ny fenitra sy ny lalàna manan-kery ny fombafomba nentina nanaovana ny safidy : ny fanajana ny tokony ho fisian’ny lahy sy ny vavy, ny famendrehana sy ny fahamarinan-toetran’ireo izay voafantina, ny fandalana ny rariny sy ny hitsiny, ary toe-tena afaka handresy sy handamina ny fampisaratsarahana isan-tokony, araka ny fanambarana navoakan’ny Ministera misahana ny fifandraisana amin’ny andrimpanjakana.
Raha ireo masontsivana ireo tokoa no tena jeren’ny governemanta dia azo heverina ny hisian’ny mpikambana ao amin’ny FFM mihintsana. Marihina fa misy mpanao politika taloha namadika palitao ka lasa firaisamonim-pirenena ao anatin’io filankevitra vao natsangana io. Ao koa ireo olona akaiky ny mpitondra ankehitriny sy ny filoha teo aloha. Sarotra ny hilaza fa tsy hiandany amin’ny atsy na izaroa ireny olona ireny rehefa tena hatao ny famotsoran-keloka sy ny fampihavanana. Ho hita eo raha sahy handray andraikitra ny fanjakana foibe.
Yves
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.