Taorian’ny antsoavo nataonay teo anivon’ny komitin’ny fampihavanana Malagasy izay niantso firaisankinam-pirenena, hoy ny filohan’ny CFM, Maka Alphonse, tetsy amin’ny BNGRC Antanimora omaly, hamonjena ireo havantsika any atsimo dia mahatsiaro manana andraikitra koa izahay.
Antony nitondranay ny voatsirambin’ny tanana dia tsipaipaika nahavory 6.005.000 ariary izany. Ny birao maharitra sy ny mpiasa rehetra eo anivon’ny CFM moa, raha ny fanazavana, no nifarimbona tamin’izany, raha ny fanazavany hatrany. Nilaza ny fankasitrahany ity fihetsika ity moa ny avy eo anivon’ny BNGRC saingy nanamafy kosa ny tale jeneralin’ity birao misahana ny loza sy tandindon-doza ity fa raha azo atao dia aleo sakafo avy hatrany no omena amin’ny sisa.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.