Politique

Filankevitry ny Fampihavanana Malagasy “Anjaran’ny fanjakana ny manatontosa ny fanonerana”


  • Talata 22 Septambra 2020

Nisokatra omaly tetsy Ampefiloha ny andiany faha 30 amin’ny fivoriamben’ny filankevitry ny fampihavanana malagasy. Isan’ny votoatin-dresaka tao

anatin’izany ny mikasika ny fanorenana ny fahavoazan’ireo niharam-boina noho ny zava-niseho teto amin’ny firenena toy ny tamin’ny taona 2002 sy 2009, araka ny efa nanaovan’ireo solontenan’ny gadra politika antso ny zoma teo. Natolotra ny governemanta ny volana aogositra 2019 teo am-pelantanan’ny praiminisitra sy ny minisitry ny fitsarana tamin’izany fotoana izany ny momba azy io, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny filankevitry ny Fampihavanana Malagasy (CFM), Maka Alphonse. Teo amin’ny fandalovan’izany teo amin’ireo antenimiera roa tonta dia mbola tsy naheno izahay na tany amin’ny antenimierandoholona na antenimieram-pirenena ka nisy parlemantera iray nanontany hoe aiza moa ny vola nosoratana tao amin’ny lalàna mifehy ny tetibola mba natao ho fanonerana. Izay no maha somary sadaikatra anay hoe maninona no tsy nasiana fihaonana tamin’ny mpanao gazety na resaka mikasika ireo tompon’andraikitra mivantana, hoy izy. Ny CFM dia filankevitra. Ny anjaranay dia manao tolo-kevitra na “recommandation” eo amin’ny resaka fanorenana na « refondation ». Anjaran’ny mpanatanteraka ny manatontosa. Voalaza ao amin’ny andininy faha 43 fa hahatongavana any amin’ny fanorenana ny repoblika dia ny CFM no manome tolo-kevitra. Izay no fahefana nomen’ny lalàna anay. Aoka mba tsy ho tezaina amin’ny toetsaina mifandrafy ny Malagasy na resaka lainga, hoy izy. Nisy nilaza fa ny tenako mihitsy no nilaza hoe tsy maika ny fanonerana. Aza dia mamorona re tompoko! Tsy teren-ko masaka toa voalobo-jaza io, hoy hatrany ny filohan’ny CFM. Misy ny tsy mety fa tsy ao anatin’ny fihatsaram-belatsihy no hisian’ny tena fihavanana. Tianay ny manamarika fa araka ny andininy faha 56 sy 58.2 dia miankina tanteraka amin’ny petra-bola eo am-pelatanan’ny fanjakana ny fanorenana na “indémnisation”. Izany hoe araka ny vola eo am-pelantanan’ny fanjakana no hanaovana azy, hoy hatrany ny CFM.

J. Mirija

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT