Politique

Filankevitra Monisipaly - Antananarivo Nitsivalanan’ny Prefe ny fanonganana ny birao


  • Talata 13 Oktobra 2020

Ny Mpanolotsaina Monisipaly TIM no nametraka sy nangataka ny hampidirana tao anatin’ny lahadinika ny fanalana ny mpikamban’ny Birao Maharitra

 

 

 

mandritra ny fivoriana tsy ara-potoana, hoy ny Jeneraly Ravelonarivo Angelo Christian Prefen’Antananarivo. Miisa 28 amin’ny 54 anefa raha ny tena marina no nanao io fangatahana io. Rehefa nodinihina dia tsy ara-dalàna, ka izay no tsy nampidiranay azy ho lahadinika. Ny andininy faha-77 tapany faharoa amin’ny fitsipika anatiny dia mazava, fa rehefa lany ny Filankevitra dia mandritra ny fe-potoana iasana izy no filoha. Ny fialany sy ny fanalana azy dia voafaritry ny andininy faha-107, ka na maty, mametra-pialana, na voamarina ny fahabangan-toerany, na fanonganana “déchéance”, hoy ity Prefe ity. Ny “déchéance” dia voafaritra ao amin’ny andininy faha-258, izay voalazan’ny andininy faha-69 ihany koa hoe hadisoana goavana sy fanamelohana raikitra ara-pitsarana, ary faharoa dia ny tsy fampitana ny fanapahan-kevitra “délibération” halefa hodinihina na mifanaraka amin’ny lalàna na tsia no hadisoana goavana hahafahana manala ny PCM. Rehefa nodinihinay dia tsy marina daholo no voalazan’ireo mpanolontsaina. Marina fa misy hadisoana nataon’ny PCM, fa kosa rah any lalàna dia tsy hadisoana goavana ilay izy, ka izay no tsy nanekenay ny lahadinika mikasika ny fanalana ny PCM sy ny Birao maharitra, hoy ny Prefe eto Antananarivo.

RESY HATRANY NY MARO AN’ISA

Ny 9 oktobra teo, dia efa noresen’ny Filankevi-panjakana ny Fitoriana nataon’ny Komba ahitana an’i Toavina Ralambomahy sy Hilda Hasinjo Ravelonahiana nangataka ny hanafoanana sy hampiatoana ny fivoriana tsy ara-potoana ny 9-13 oktobra noho ny tsy fampidirana ny lahadinika natolotra. Nambara fa ny PCM no manapaka ny lahadinika, ka afaka mifidy izy na hampiditra na tsia izay lahadinika hatolotra azy. Nilaza ny hampiakatra ny Komba. Ny Mpanolotsaina maro an’isa 28 no nangataka io lahadinika io, saingy resy toy ny tamin’ny sakoroka nandaniana ny tetibola. Hafakely ny eto amintsika!

 Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT