Politique

Filankevitra monisipaly Antananarivo Hafana ny fivoriana manomboka anio


  • Alarobia 26 Aogositra 2020

Hiatrika fivoriana ara-potoana ny filankevitra monisipaly manomboka anio alarobia ary haharitra hateloana izany. Lahadinika voafaritra ho dinihana mandritra izany ny fanitsiana ny tetibolan` ny CUA taona 2020.

 

 

 Raha tsiahivina dia mitentina 106 miliara ariary ny tetibolan` ny kaominina izay nolanian` ny mpanolotsain` ny tanàna tamin` ny fiandohan` ny volana febroary. 50 miliara ariary ho an` ny fampandehanan-draharaha ary 56 miliara ariary izay nambara tamin`izany fa mbla ho tadiavina ho an` ny fampiasam-bola. Andrasana ihany koa ny tatitry ny asa nandritar ny fihibohana izay hataon` ny ben` ny tanàna Naina Andriantsitohaina, izay mahakasika indrindra amin` ireo tany sy fananan` ny CUA izay mbola eny am-pelatanan` ny olona efa tsy miasa intsony. Ho dinihana ihany koa ny hanomezana anaran-dalana ny anaran` ny Pastera Andriamanjato Richard sy Guy Willy Razanamasy izay efa samy ben` ny tanànan` Antananarivo avokoa. Ho laniana ihany koa ny fanitsian-drafitra eny anivon` ny sampana mpamonjy voina. Antenaina fa hafana ny fivoriana satria tsy maintsy hisy ireo mpanolotsaina no hanipy resaka momba ireo raharaha mafana toy ny Raharaha MBS sy Pavillons etsy amin` ny Esplanade Analakely.

Marigny A.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT