Politique

Filankevitra momba ny demokrasia “Tokony mba hisy lesona raisina amin’ity”


  • Alakamisy 28 Jolay 2022

Samihafa ny toe-draharaha politika manomboka mafampana sy hafanafanaina, hoy ny avy eo anivon’ny filankevitra ambony momba ny demokrasia sy ny tany tan-dalana na HCDDED tetsy amin’ny foibeny etsy Ankadimbahoaka omaly.

Mila saina tony ny andraisana izany rehetra izany, hoy ny filohan’izy ireo, Pierre Lenoble Navony, fa tsy fitenenana fandrangitana na fiantsiana. Mila milamina isika. Samy manana ny marina sy diso ny andaniny sy ny ankilany. Tsy misy tsara afa-tsy ny fifampiresahana no mety amintsika. Aza mifanohitra hoe samy mpanohitra ao ihany dia samihafa no teneniny na samy mpitondra ao ihany fa samihafa ny tenenina. Mila zavatra mirindra isika entina mifampiresaka. Isika mantsy rehefa mahavory olona maromaro dia avy hatrany dia manani-dapa na manao fanakorontanana. Tsy mba vitantsika ny manao filaharana demokratika milamina. Tokony mba hisy lesona raisina amin’ity fa ny mpitondra avy dia manda avy hatrany. Tsy mbola niresaka mikasika ny fikaonandoham-pirenena moa izahay fa ho hitanareo eo ny valinteninay mikasika an’izay, hoy hatrany ny HCDDED.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny HCDDED
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

  • Catherine
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

VAUTRIN

  • POLITIKA
  • Alarobia 07 Oktobra 2026

Mandeha ny kajikajy

Hijery ny tohiny
FTT