Politique

Filankevitra ambony momba ny demokrasia “Aoka izay ny fifidianana mamitaka ”


  • Alakamisy 25 Novambra 2021

Ampiakarina ankehitriny ny maripana politika, hoy ny filohan’ny filankevitra ambony momba ny demokrasia sy ny tany tan-dalana na HCDDED,

Navony Pierre Lenoble. Be dia be, hoy izy, ao anatin’izay ny olona miresaka. Ao ny te hanao hoe foano ny HCC sy ny CENI, andao hanao tetezamita, ovay ny lalampanorenana sy ny hafa rehetra. Tsy ny lalampanorenana no zava-dehibe fa ny fanatanterahana ny voasoratra ao. Misy lalampanorenan’olona tsy niova tao anaty 200 taona. Ny an’ny frantsay koa io hitantsika ary hiditra amin’ny repoblika faha 5 izy. Isika ny taona 1960 no nahazo fahaleovantena nefa mihazakazaka te hanakatra an’I Frantsa. Marobe isika no saribakolin’ny frantsay te ho vazaha nefa tsy ho vazaha mihitsy. Aza mitomany randrana manendrika ny hafa! Raha hanao fifidianana lalampanorenana ihany dia tena fifidianana lalampanorenana ahitana lalampanorenana maro azo isafidianana atao fa aoka izay ny fifidianana mamitaka amin’ny fanontaniana hamaliana fotsiny hoe “eny sa tsia”! Fitaka foana hatramin’izay ny fanontaniana atao. Ohatra hoe “tianao ve ny hampandroso ny tanindrazantsika? Fidio ity lalampanorenana ity!” nefa fanontaniana mifono fitaka dia mazava ho azy fa mandresy ny “eny”. Mikasika ny resaka HCC sy CENI dia aoka ho maro ny delege anaty fifidianana. Zava-misy koa ny fisian’ny tsy fandriampahalemana izay hanaovana antsoavo hoe omeo fitaovana ny mpitandro filaminana. Ampitomboy ny fitaovany fa mampalahelo ny hoe miantso ianao dia mamaly izy hoe “tsy misy fiara izahay!” na “tsy misy lasantsy izahay!”. Ampio koa ny olona, hoy hatrany ny HCDDED.
J. Mirija
Legende: Ny filohan’ny HCDDED. Atoa Navony Pierre Lenoble
 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Antoko politika MONIMA
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

Mitaky ny fanovàna ny rafitra

  • Fanovana ny
  • Alatsinainy 12 Oktobra 2026

fomba fitantanana ny Firenena.

  • Nipoitra i Haingo Ravatomanga
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Nitantara ny fitsoahana

  • KOLONELY GERVAIS
  • Zoma 09 Oktobra 2026

Mila mianatra mandeha irery isika

  • Vondrona
  • Zoma 09 Oktobra 2026

sy vovonana politika samihafa

  • Dinika fanavotam-pirenena
  • Zoma 09 Oktobra 2026

"Andao aloha

Hijery ny tohiny
FTT