Mifanasa vangy ara-bakiteny ireo mpikambana eny anivon’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita hatramin’ny omaly alakamisy 24 oktobra tontolo andro ary mbola hitohy amin’ity marainan’ny zoma 25 oktobra ity.
Raha ny zava-nisy teny an-toerana omaly aloha, dia voalazan’ny fandaharam-potoanan-dry zareo parlemantera etsy Anosikely ireto fa hanao ny tatitry ny asa vitany ilay “Comité Ad’hoc” natsangana tamin’ny volana janoary 2012 hijery ny raharaha anatiny eny anivon’ity rafitra ity. Nisongadina tamin’ny tatitra ny tsy fitovian’ny tombontsoa raisina. Nahatsapa ny parlemantera maro fa tsy misy ny mangarahara. Nisy CST nilaza fa ny fototry ny olana dia miaro ny tombontsoany ireo mpikambana ao amin’ny birao maharitra ka tsy miraharaha ireo mpikambana hafa.
Nilaza ankitsirano ny CST Ratefinanahary Emile fa tsy maharo ny maha izy azy ilay andrimpanjakana sy ny mpikambana ao aminy ry zareo ao amin’ny birao maharitra ireo ka tokony hanaovana latsa-bato fitsipaham-pitokisana. Teo anatrehan’izany dia nidina naka ny toerany teny ambany namaly sy nanohitra ny heveriny fa hevitra diso izany ny Me Hanitra Razafimanantsoa, izay filoha lefitra faha-7 mpikambana ao amin’ny birao maharitry ny CST. 3 hetsy sy 1 tapitrisa Ariary ny karama raisinay, hoy izy, 4 hetsy sy iray tapitrisa Ariary ny taratasin-tsolika, 8 alina Ariary ny fahana amin’ny telefaonina ary mahazo hofan-trano koa izahay. Tsy ahazoana miasa ara-dalàna anefa izany, hoy izy. Tsy ny ato amin’ny birao maharitra no olana fa ny minisitry ny fitantanam-bola nampanantena fa raha tsy misy fifidianana amin’ity taona 2012 ity dia hojerena manokana ny parlemantera. Aiza anefa izao ? Mampalahelo, hoy ny Me Hanitra, ny fiampangana olon-dehibe amin’ny zavatra tsy andraikiny tahaka izao. Amin’ny maha mpisolovava ahy dia lazaiko fa tsy araka ny lalàna izany hoe fanalana olona faobe izany.
Manohy
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.