Raha ny tena marina dia tokony hifantoka feno amin’ny asan’izy ireo ankehitriny amin’ny fiomanana sy fikarakarana ny fifidianana ny mpikambana ao amin’ny CENIT fa tsy manao asa hafa intsony, na an-tselika na asa raikitra.
Ny solontenan’ny mpanao gazety, Fano Rakotondrazaka izao, ohatra, dia tsy manoratra amin’ilay gazety mpiseho isan’andro niasany teo aloha intsony, hatramin’ny nanendrena azy ho mpikambana ao amin’ny CENIT. Teo alohany ihany koa ny Sekretera jeneralin’ny KMF\Cnoe dia efa nametra-pialana tamin’ny andraikiny io rehefa tao amin’ny CENI. Tsy tanteraka araka ny tokony ho izy tokoa mantsy ny fahaleovantenan’ity rafitra iray ity raha toa ka mbola miasa mavitrika ao anatina fikambanana, na antoko politika, na orinasa ny mpikambana ao, izy ireo. Ankoatra ny fanomezana fiara azy, dia efa nokaramaina hatramin’ny 6 tapitrisa Ariary isam-bolana mba tena hananan’izy ireo fahaleovantena amin’ny resaka ara-bola sy ara-pitaovana.
Ny manaitra anefa dia hay ka mpikambana ao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Madarail (Madagascar Railways) Rtoa Atallah Béatrice filohan’ny CENIT. Tsara homarihana anefa fa orinasa Frantsay dia ny Groupe Bolloré no tompon’ny petra-bola be indrindra ao amin’ny Madarail, misy mpandraharaha tanora namana akaiky an’i Andry Rajoelina ihany koa, mpikambana miaraka aminy ao amin’ny filankevi-pitantanan’ny Madarail. Koa manitikitika ny saina ihany izany zava-drehetra izany ka mahatonga ny fanontaniana hipetraka hoe : tena mbola azo antoka marina ve fa mahaleotena amin’ny asany sy ny fanapahan-keviny ny filohan’ny CENIT ?
Ary moa va tena fifidianana madio marina no nahatongavany teo amin’io toerana io sa sanatria efa nisy fifandresen-dahatra tany ambadimbadika tany ? Tsy adala akory ny Ntaolo raha niteny hoe : ny ahiahy tsy hihavanana. Maro loatra rahateo ny zavatra manjavozavo nandritra izao tetezamita izao, be loatra ny gaboraraka sy ny fampandriana adrisa ary tena isan-karazany ny sinema nataon’ny mpitondra, ka izay no mahatonga ny olona ho mailo foana. Ambara fa fifidianana no hamaranana ny krizy sy ny tetezamita ka hiverenana amin’ny ara-dalàna, ahoana anefa no hahazoana antoka fa fifidianana madio sy mangarahara ary milamina no hitranga eto, raha toa ka tsy tena mahaleotena akory ny mpikambana ao anatin’ilay rafitra hikarakara sy fifidianana, fa mety ho azon’ny tsindry bokatra avy atsy na avy aroa ?
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.