Manoloana ny lahatsoratra nivoaka tao amin’ny Tribune de l’art izay maneho fa tandindomin-doza ny vakoka eto Antananarivo dia namoaka fanambarana manala izany ahiahy izany tamin’ny alalan’ny minisiteran’ny serasera sy ny kolontsaina ny fitondram-panjakana.
Niezaka nanamarin – tena manoloana ireo heverina ho fikitihana izay vakoka izay moa ity minisitera ity. Isan’ny nambarany fa tomponandraikitra amin’ireo harem-bako-pirenena miisa 177 ankehitriny ny minisitera. Isan’ireo hitsivolana notanisaina ny nivoaka tamin’ny novambra 1982 izay nofitinin’ity fanambarana ity fa afaka mamoaka didy hanoratana sy/na fanokanana toerana miavaka sy zava-naorina ny minisitera nampandraiketana izay resaka vakoka izay. Fanoratana ho ao amin’ny boky fitanisana ny harem-bako-pirenena rehefa manana endrika mirakitra tantara, maritrano, haifoko, na voajanahary sy hafa no voalaza ao fa ataon’ny fanjakana, hoy hatrany ity minisitera ity. Fanekena izay maha harem-bakoka ny zavatra iray izay kosa ny fanokanana. Sady tsy ao anatin’ny boky fitanisana ny harem-bako-pirenena no tsy ao anatin’ny lisitra mirakitra ny harem-bako-pirenena izay tantanin’ity minisitera ity ny tranoben’ny paositra etsy Antaninarenina, hoy ny fanamarihana. Mahakasika ny lapan’Ambohitsorohitra kosa dia tsy ny trano lehibe akory no amboarina fa ireo fefy atahorana ho simba sy hihotsaka. Mikasika ny rovan’Antananarivo sy ny lapan’i Manjakamiadana moa dia voalaza fa efa misy komity siantifika hierana hatrany mialohan’ny hikitihina izany.
J. Mirija
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.