Folo taona izao no nampiasana ny lalàmpanorenana Repoblika fahefatra. Misy zavatra mila hatsaraina nandritra izay fotoana izay toy ny fifandraisana eo amin’ny samy andrimpanjakana.
Ohatra, ny fe-potoam-piasan`ireo olom-boafidy ho parlemantera izay “mandat impératif”. Maro ny zavatra mila hatsaraina. Tsy midika ratsy ny lalàmpanorenana fa mila iainana arakaraka ny toe-java-misy ka tsara ny mihaino ireo hery rehetra amin’ny fandrafetana azy. Mila mifanaraka amin’ny filan’ny Malagasy ny hosoratana ao anatin’ny lalàmpanorenana. Ilaina ihany koa ny fomba fampiharana azy. Tsara ny manamarika fa fifidianana roa no voafaritra ao anatin`ny lalàna mifehy ny tetibolam-panjakana (LFI) taona 2020: fifidianana loholona sy ny fitsapan-kevi-bahoaka. Matoa hiroso amin`ity fifidianana faharoa ity dia mikasa hanova andinin-dalàna ao anatin`ny lalàmpanorenana ny fanjakana. Noho izany, ilaina ny fandraisana anjaran`ny hery rehetra ka tokony ho efa fotoana fanaparitahana ireo volavolan-dalàna amin`izao fotoana izao hodinihana mialoha ny fifidianana.
Marigny A.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.