Politique

Fikithinana lalàmpanorenana Mazava ny lalàna…


  • Alarobia 02 Septambra 2020

Tonga amin` ny tanjona niriany ny fitondram-panjakana amin` ny fandanianana ny volavolan-dalàna lah. 01/2020. Mazava izany fa tiany ho fehezina avokoa ireo andrimpanjakana rehetra eto amin` ny firenena matoa ny isan` ny loholona izay 63 nahena ho 18 isa.

 

 

 

 Miteraka fikorontanana eo amin` ny parlemanta sy ny rafi-pahefana misy anefa izany fanapahana izany. Anaty rafitra mpanara-maso ny mpanatanteraka ny Antenimierandoholoa ary manana fahafahana hanozongozona ara-kevitra ny amin’izay andraikitra tanan’izy ireo. Misahana ny asan’ny mpanao lalana raha misy ny ady atsanga politika eo amin’ny mpanatanteraka sy ny solombavambahoaka. Araka izany, moramora kokoa ho an` ny fitondrana no mikitika ny ny Lalàmpanorenana raha azony ny maro an` isa eo anivon` ity andrimpanjakana ity. Manana fahefana hanendry ny ampahatelon’ny mpikambana ao amin’ny Antenimierandoholona ny filoham-pirenena ka hahazo avara-patana amin’ny fisitrahana ny maro an’isa ao amin’io andrimpanjakana io izy ary hanamora ny fanomezana seza ireo kinamanamana politika izay hiteraka fatiantoka manoloana ny tena fototr’andraikitry ny antenimierandoholona izany.

 

Marigny A.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Mirangorango ?
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Manomboka mitombo ireo

  • Malagasy Miara-Miainga
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

"Mbola maro ireo fanamby

  • VMFR
  • Alakamisy 15 Oktobra 2026

Hafaingano ny dinika politika

  • Kolonely Randrianirina Michael
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

Mila mifoha isika

  • Front de libération
  • Alarobia 14 Oktobra 2026

national «Tena ilaina ny dinika

Hijery ny tohiny
FTT